Talata 6 Septambra 2022

Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Jaona 20:31

 

Efa namaky ny Filazantsara ve ianao ?

Ho hitanao ao Jesosy avy any Nazareta, Lehilahy niaina tahaka antsika, nefa koa niavaka tanteraka satria masina, tsy nanana ota. Ireo teniny dia manaitra, tenim-pitiavana nambarany tokony ho 2000 taona lasa izay, ary mbola manan-kery ankehitriny, ka tsy afaka tsy hampihontsona. Ho hitanao ao ny fiainany feno fanetrentena, ny nanamelohana Azy tsy ara-drariny, ny nahafatesany. Ho hitanao ao indrindra koa fa io Lehilahy io no Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra. Noho ny fitiavany antsika dia nanaiky hohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy. Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty.

Eny, velona Jesosy, omaly sy anio, ho an’ireo izay mitady ny lalan-kombany ka mahatsiaro matahotra hifanatrika amin’Andriamanitra. Hoy Jesosy : „Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana”. Omeny famelan-keloka izay miaiky ny fahadisoany. Tiany homena fiainana mandrakizay izay matahotra ny fahafatesana. Ampahafantariny ho Ray Andriamanitra, ho an’ireo izay mahatsapa habangana ao am-pony.

Eny, velona Jesosy, ary miteny amintsika. Azo hatonina tsara Izy. Te ho velona ao anatintsika aza Izy, ary manome toky fa haneho ny tenany amin’izay olona rehetra tena mitady Azy tokoa, am-panetrentena sy am-bavaka.

Tsy misy toejavatra izay tsy hahitana vahaolana, satria Izy Ilay nahary ny zavatra rehetra dia tia antsika ary te hanova tanteraka ny fiainantsika, dieny izao ankehitriny izao, raha mino Azy isika.