Alatsinainy 5 Septambra 2022

Any am-parany any… ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra. 2 Timoty 3:1-4

 

Ireo zanatsika

Miha mitombo ny tolotra fandraisana an-tanana ny ankizy, any amina firenena maro. Akanin-jaza, sekoly garabola, fiandrasana ankizy, sns. dia samy atao ho azon’ny ankohonana ampiasaina. Izany rehetra izany dia mba hahafahan’ny renim-pianakaviana manao zavatra hafa, sy hiarovana ankizy maro tsy hanao ny danin’ny kibony tsy misy mpifehy.

Nefa ve ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka tsy tokony hanokanana fotoana betsaka indrindra araka izay azo atao, mba hampivelatra ao am-pon’ireo ankizy kely ny fananana fitiavana, fankasitrahana, fifamatorana ary fitokiana ? Any ivelan’ny ankohonana, na dia tena manam-pahaizana aza ny fikambanana manabe azy ireo, dia tsy mahatontosa izany afa-tsy amin’ny ampahany ihany. Ny tanora sasantsasany, tsy manana fifandraisana lalina miorina ao amin’ny sehatry ny ankohonana, dia mijaly satria misy habangana sarotra fenoina ao anatiny.

Tam-pahendrena no nanorenan’Andriamanitra ny ankohonana, mba hampivelatra ny ankizy. Iza no hahalaza tsara ny tombontsoa-na tokantrano misy ray aman-dreny mifankatia sy maneho fitiavana marina ireo zanany ? Ry ray aman-dreny kristiana, ndao hangataka amin’Andriamanitra ny fahendrena mba hitondrana ny ankohonantsika amin’ny hery ara-toe-panahy sy ny torolalana omen’ny Teniny. Aoka hanenika izay rehetra fifandraisantsika ny fitiavana tena izy, dia ilay fitiavan’Andriamanitra. Ndao koa hanazatra ny zanatsika hamaky ireo filazantsara, mba hianarany ny fomba niainan’i Jesosy teto amin’ity tontolo ity. Amin’izay izy ireo dia hahay hanavaka ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy, ny zava-mahasoa sy ny zava-poana… Izany koa dia ho fiarovana azy ireo ato anatin’ny fiarahamonina iainantsika, voamariky ny savorovoro sy ny fikatsahana mihoa-pampana ny zavatry ny tany.