Alahady 4 Septambra 2022

Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa, dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:1, 2

 

Jesosy no Ilay hafatra

Inona no maha samy hafa ny antokom-pivavahana sy ny finoana kristiana ? Ireo antokom-pivavahana dia manindry fampianarana harahina, filôzôfia hekena, asa hotanterahina. Ny finoana kristiana kosa dia mampitodika antsika amina olona iray tokony hihaonana ; ka tsy ny „manao” zavatra izany no ilaina, fa ny mino an’i Jesosy Kristy.

Zoroastre, Bouddha, Mahometa dia tsy manafaka amin’ny ratsy, ary ny hafatra nentin’izy ireo dia tsy manan-kery hanova ny fiainantsika hatrany am-pakany. Ny finoana kristiana dia mitondra mankamin’i Kristy, Izay manana ny hery hamonjena antsika tanteraka sy hanomezana antsika ny fiainana mandrakizay. Tsy hafatra avy amin’Andriamanitra fotsiny no entin’i Jesosy, fa Izy mihitsy no Ilay hafatra. Tsy ny fahamarinana fotsiny no lazainy ampahibemaso, fa manambara mihitsy hoe : „Izaho no fahamarinana”. Tsy manondro lalana fotsiny Izy, fa manamafy hoe : „Izaho no làlana”. Tsy manokatra fijery vaovao fotsiny Izy, fa miteny hoe : „Izaho no vavahady”.

Koa ny hoe kristiana izany dia tsy hoe manaraka fampianarana iray fotsiny, na manatanteraka fombafomba sasantsasany, na koa manao ny tsara aza, fa mandray an’i Jesosy ho Ilay hafatra faratampony avy amin’Andriamanitra. Ny hoe mandray an’i Jesosy dia mitoky aminy, manokatra aminy ny varavaran’ny fiainantsika sy ny fontsika. Mazava ho azy fa mandray koa ny teniny, araka izay itateran’ireo filazantsara izany amintsika. Tsy afaka hilaza ianao hoe mandray olona, raha mandà tsy hihaino azy ! Izany no maha zava-dehibe ny mamaky ireo filazantsara, ombam-bavaka sy fitokiana, sady mangataka amin’Andriamanitra mba hitarika antsika ho eo amin’i Jesosy sy hino Azy izany vakiteny izany.