Asabotsy 3 Septambra 2022

Izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny làlan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be. Jakoba 5:20

 

Heloka noho ny tsy nanampiana olona

Raha toa ianao mahita jamba hiampita arabe, nefa misy fiara misosososo, dia ho mpamono olona raha tsy miezaka hihazona azy. Raha mahita olona tandindomin-doza aho, dia andraikitro ny miezaka hampitandrina azy araka izay azoko atao. Ny tsy fanaovako izany dia „heloka noho ny tsy nanampiana olona tandindomin-doza”.

Mety hoheverinao ho mirona hampiteraka tebiteby ny takelaka sasantsasany ato amin’ity alimanaka ity, nefa ireo izay manoratra azy ireo dia mahatsapa ny tenany ho tompon’andraikitra, eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehanao, mba hampitandrina anao amina loza lehibe tsy voatery ho tsapanao akory, dia ny fitsaran’Andriamanitra noho ireo fahotanao. Loza mampihoronkoditra izany, manambana hanimba ny fahasambarana mandrakizain’ny fanahinao. Tia anao Andriamanitra, saingy tsy zakany ny ota. Koa raha tsy voalamina ny resaka momba ny fahotanao, dia tsy maintsy hohalaviriny tanteraka aminy ianao, any amin’ny fampijalijaliana mandrakizay.

Ny fiarahamonina sasany dia manindrahindra ny fahalalahana ara-pinoana sy manameloka ny fampielezan-kevitra ara-pivavahana. Hararaotin’i Satana izany mba hamitahany ny olona sy hanajambany azy tsy hahita izay miandry azy aorianan’ny fahafatesana. Rehefa avy mampahatsiaro Andriamanitra fa tsy maintsy ho faty avokoa ny olombelona rehetra, dia manambara mazava hoe : „Rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Ny fitsaran’Andriamanitra dia aorianan’ny fahafatesana. Nefa misy fomba iray, tokana sy azo antoka, hialana tsy hotsaraina, dia ny manaiky amin’ny alalan’ny finoana fa Jesosy efa nitondra teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza ny otantsika. Izay mino Azy „no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina” (Jaona 5:24).