Zoma 2 Septambra 2022
Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona ; zava-poana tokoa no itabatabany. Salamo 39:6
… ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina. 1 Tesaloniana 1:9
Tsy fampiasa firy, taloha, ny teny hoe „virtuel” (an-tsaina, foromporonina, an’eritreritra), teny nanjary nanana hevitra mavesa-danja ankehitriny, noho ny fivoaran’ny kajimirindra (informatika).
Ireo efijery (écrans) dia afaka mampiseho amintsika sary tsy misy ifandraisana mihitsy amina zavamisy, fa noforomporonina fotsiny. Amin’ny alalan’ny internet ianao dia afaka manana fifampikasohana an-tsaina amina olona tsy tena misy akory. Amin’ny alalan’ireo tambazotran-tserasera ianao dia afaka ihany koa mamorona fisakaizana aman’olona tsy hifanena aminao mihitsy, afa-tsy eo amin’ny efijerinao. Noho izany ny fiainantsika dia mety hihataka tsikelikely amin’ny zavamisy. Tsy mampidi-doza ve izany tontolo-na nofy izany, nofy tsara na ratsy, tontolo lavitry ny zavamisy fototra eo amin’ny fiainana ?
Inona moa ireo zavamisy fototra ireo ? Ny Baiboly dia manasa antsika hisaintsaina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, Ilay Mpahary izao rehetra misy izao, hisaintsaina ny loharanon’ny ratsy mandoto ny fiainantsika olombelona, ny dikan’ny fiainantsika, ny harefony, ny hiafarany, hisaintsaina ny fahafatesana, ny any ankoatra… Tsy zavatra foromporonina mihitsy ireo, fa lohahevitra mifamatotra akaiky amin’ny maha tena izy ny fisiako, dieny eto an-tany.
Andriamanitra, Izay Fanahy, tsy hita maso, no manome antsika ny valin’ireo fanontaniana ireo, manome izany ao amin’i Jesosy Zanany, Izay teraka teto amin’izao tontolo izao, olona teo anivon’ny olombelona. Jesosy Kristy dia tsy mba olona noforomporonina, fa tena olona velona, te hiditra ao amin’ny fiainantsika tsirairay. Manolotra fanafahana amin’ny ota Izy ; tsy nofinofy izany, fa zavamisy afaka tena manova ny fiainako. Tsy nofinofy tsy akory no atolotr’Andriamanitra, fa fiainana tena misy ary tiany hofenoin’ny fanatrehany sy ny fitiavany.