Alakamisy 1 Septambra 2022
Niakatra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy ka nampianatra. Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe : Ahoana no nahaizan’Ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy ? Jaona 17:14, 15
Ny mpiara-belona tamin’i Jesosy dia nanisy lanjany be ny fianarana ny Soratra Masina. Sekoly-na Raby no nanofana ireo ho Mpahay Lalàna, izay hany nahazo nampianatra. Koa iza àry ity Jesosy ity, Izay nampianatra tao an-tempoly, nefa tsy mba nampianarina akory ? Izy dia tsy mba nianatra mihitsy…
… ny teolojia, nefa dia nampahafantatra an’Andriamanitra Ray tamin’izao tontolo izao. Ny hevi-dalin’ny Lalàna dia nasongadiny mihoatra lavitra noho ny nataon’ireo manam-pahaizana ireo.
… ny fitsaboana, nefa dia nanasitrana ny aretina rehetra.
… ny lalàna, nefa dia nifono fahamarinana mandrakariva ny teniny (Salamo 40:9).
… ny siansa momba ny zavaboary, nefa ireo fanoharana nataony dia mirakitra hevitra marina tanteraka, avy amin’ny voary.
… ny toekarena, nefa dia nanome ireo torohevitra tsara indrindra : „Miharia harena ho anareo any an-danitra” (Matio 6:20).
… ny fifaneraserana, nefa dia nampahazo aina na ny mahantra na ny manankarena, na vehivavy iray nananotena sy mampalahelo na vahoaka marobe.
… ny hay kabary, nefa dia nahatonga ireo nihaino Azy ho talanjona ka afaka niteny hoe : „Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46).
Izany no fijoroan’ireo nanaraka an’i Jesosy Kristy ho vavolombelony.
Marina tokoa fa Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra (Matio 27:54).