Alarobia 31 Aogositra 2022
Izao no lazain’i Jehovah : Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny… ary aoka ny manankarena tsy hirehareha amin’ny harenany ; fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao : dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy. Jeremia 9:22, 23
Lanja toa inona ?
Ny lanjako dia tsy ao amin’ny fananako,
Na ao amin’ny heriko na fahasalamako,
Fa ao amin’ny fitiavana ny sarany naloa
Teo amin’ny hazofijaliana.
Ny lanjako, tsy ao amin’ny fanomezam-pahasoavana noraisiko,
Na ao amin’ireo fahombiazako na reharehako,
Fa ao amin’ny ranao nalatsaka
Teo amin’ny hazofijaliana, ry Jesosy.
Izahay dia mety maty toy ny voninkazo ;
Tsy maharitra, na hatsaran-tarehy na hatanorana.
Fa ny fiainana mandrakizay kosa no miandry ahy
Eo amin’ny hazofijaliana.
Tsy misy rehareha ao amin’ny hery,
Na ao amin’ny fahendrena mihelina,
Fa fantatro Jesosy, Ilay Kristy
Teo amin’ny hazofijaliana.
Ny lanjako na ny fahakelezako ve ?
Zava-miafina, ekeko izany !
Ny sandako dia ao amin’ny fanavotana ahy
Teo amin’ny hazofijaliana.
Ny fifaliako lehibe indrindra dia Jesosy,
Harena sy loharano ho an’ny foko.
Ny fatokiako, ny fahafenoako,
Ao amin’i Jesosy irery no fahasambarako.