Talata 30 Aogositra 2022

Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Filipiana 4:6

(Hoy Jesosy :) Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. Jaona 15:7

 

Mitenena, mihaino anao Andriamanitra

Ny hoe mivavaka dia miresaka amin’Andriamanitra amin’ny fitenintsika. Mihoatra lavitra noho ny hoe manao fangatahana izany. Ahoana no hiheverantsika ankizy iray izay tsy hiresaka amin’ny ray aman-dreniny raha tsy hangata-javatra ? Ny tonombavaka dia arakaraka ny fifandraisana ananana amin’Ilay iresahana : Andriamanitra Raintsika, ny Tompo Jesosy, samy Andriamanitra aseho ao amin’ny Baiboly fa liana fatratra amintsika tsirairay. Mihaino antsika Andriamanitra : fahasoavana anie izany e ! Ny vavaka dia ahafahantsika mikolokolo ao anatintsika :

ny fanetrentena, amin’ny filazantsika ireo filantsika lalina,

ny finoana, izay mandray araka izany ny fampanantenana rehetra omen’Andriamanitra,

ny fanantenana, izay miravoravo sahady satria ho tanteraka ireo fampanantenana ireo,

ny fahatsapana ny fitiavan’i Jesosy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika tsirairay ; ary ho valin’izany, ny fitiavana Azy sy ny fitiavana ireo olona rehetra resahintsika aminy,

ny faharetana, satria tsy miditra an-tsehatra na mipelipelika isika, mba hamela an’Andriamanitra hiasa.

Tsy hoe mibaiko an’Andriamanitra amin’izay tokony hataony tsy akory, satria raha tsy mahafoy ny sitrapontsika isika, dia tsy hahatakatra ny valiny omen’Andriamanitra. Ary raha mitahiry fankahalana olona isika, na mitana lolompo aminy, dia ialao avy hatrany izany. Isika aloha no simban’izany toepo izany voalohany. Aoka isika hivavaka ho an’io olona io, dia hahay hitia azy. „Ray ô, mamelà ny helony…”, hoy Jesosy ho an’ireo mpampijaly Azy.

Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika, dia hahalala tsara kokoa ny Ray, ary hahalala tsara kokoa an’i Jesosy, Izay nampahafantatra Azy amintsika. Izany no fomba hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra, sy hivavahana araka izany sitrapony izany ; dia hamaly vavaka antsika Izy.