Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Bartimeo jamba… dia niantso… ka nanao hoe : Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko ! … Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe : Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe : Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’i Jesosy. Marka 10:46-50

 

Tsy manam-potoana aho

Impiry ianao no efa niteny na nahare ny teny hoe : Tsy manam-potoana aho ! Tsy manam-potoana hieritreretana, tsy manam-potoana hanampiana ny namako na ny mpiara-monina amiko, tsy manam-potoana hifaneraserana amin’Andriamanitra, hamakiana ny Baiboly mitokana na miaraka amina kristiana hafa, tsy manam-potoana hikarakarana ny fanahiko…

Satria ve ny filan’ny vatanao no mandany tanteraka ny herinao : mihinana, mitafy, manao fanatanjahantena, sns. ?

Sa tototra zavatra maro ny sainao : mozika, horonantsary, fianarana, fialam-boly… ? Azonao tohizana ny lisitra…

Mba tonga saina ve ianao fa ny devoly no te hanakana anao tsy hiato ? Efa noeritreretinao ve fa indray andro any, na tianao na tsy tianao, dia tsy maintsy hanokana fotoana ianao mba hahafatesana ? Ary amin’io fotoana io, ho vonona ve ianao hihaona amin’Andriamanitra ?

Nahoana moa no tonga tetỳ Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra ? Mba „handrava ny asan’ny devoly” (1 Jaona 3:8).

Bartimeo jamba dia nangataka teo amoron-dalana (andinin-tSoratra Masina androany). Nahare vahoaka nanatona izy. Nolazaina taminy fa Jesosy no mandalo. Dia niantsoantso mafy faran’izay vitany izy hoe : „Jesosy ô, mamindrà fo amiko !” Te hampangina azy ny olona. Nefa vao mainka izy niantso mafy kokoa. Dia nijanona Jesosy ! Tsy sahirana loatra Izy, na maika, na tsy maharaka, na tototra asa… Eo anivon’ny asa goavana miandry azy, ireo filana mavesatra, ireo vahoaka mifanety aminy, dia manam-potoana malalaka hatrany Izy ho an’ny tsirairay, ho an’ity mpangataka nositraniny ity, ho anao androany !

Izy dia manana fotoana ho anao. Fa ianao kosa, mba manana fotoana ho Azy ve ianao ?