Alahady 28 Aogositra 2022

Rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania… Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no sarobidy, lanjan’iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany ; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. Jaona 12:1-3

 

Ny menaka manitr’i Maria

Nahoana moa no teo i Maria ?

— Tsy tonga mba hihaino toriteny izy, na dia tao aza Ilay mpitoriteny lehibe indrindra. Ny tanjony tamin’io andro io dia tsy ny hipetraka eo an-tongotr’i Jesosy mba hihaino ny teniny, toy izay tiany natao hatramin’izay (Lioka 10:39).

— Tsy tonga izy mba hivavaka hangata-javatra aminy, na hitady fampiononana, toy ny tamin’ilay andro nananganan’ny Tompony ho velona indray an’i Lazarosy anadahiny (Jaona 11:43, 44).

— Tsy tonga ihany koa izy mba hihaona amina mpianatra hafa, na dia zavatra iainana mahafinaritra mandrakariva aza ny fiombonana amin’izy ireo.

— Tsy tonga izy mba hampaherezin’ny Tompony rehefa sasatra niasa nandritra ny herinandro, na dia fantany aza, satria niainany, fa Izy no mahatakatra tsara indrindra ny momba azy.

— Tsia, fa tamin’io fotoana io indrindra, nifantohan’ny rehetra hanohitra Ilay Zanak’Andriamanitra masina, dia tonga teo i Maria, ho marika fanajana Azy, mba handraraka eo amin’ny tongony, menaka manitra tena lafo vidy natokany ho Azy. Jesosy irery ihany no nameno fankasitrahana sy fitsaohana ny fony.

Io fihetsik’i Maria io, ny tanjony, ny nanosika azy ho eo amin’izay misy ny Tompo —môdely toy inona moa izany, ho an’ireo rehetra mivory manodidina Azy ankehitriny mba hitsaoka Azy !

„Lazaiko aminareo marina tokoa : Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao, mba ho fahatsiarovana azy” (Marka 14:9).