Asabotsy 27 Aogositra 2022
Rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe : Mpanompo tsy mahasoa izahay ; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay. Lioka 17:10
Ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra. 2 Timoty 2:21
Ohatra ny mifanohitra ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany, nefa tsy izany mihitsy.
Iza no asaina hihevitra ny tenany ho tsy mahasoa ? Izaho, ianao. Manoloana ny halehiben’Ilay Andriamanitro sy ny heriny, dia tokony ho takatro fa rano indray mitete fotsiny ao anatin’ny ranomasimbe ny ezaka rehetra ataoko, ny finiavako manontolo handray anjara amin’ny asany. Tsy ho mila ahy akory Andriamanitra, ary hanao izay notendreny hatao, na eo aho na tsy eo ! Ary satria fantany tsara fa ny iray amin’ny olana mpahazo ahy dia ny fieboeboana, ilay fironana mandrakariva hanao ny tenako ho zavatra, mihoatra noho ny tena maha izaho ahy, dia averiny fotsiny ho eo amin’ny toerako aho.
Tsy midika anefa izany hoe tsy ankasitrahin’Andriamanitra izay ataoko ho Azy. Nanomboka tamin’ny namonjeny ahy ka nanaovany ahy ho zanany, dia apetrany eto an-tany aho mba ho vavolombelona miasa haneho ny fitiavany. Araka ny asehon’ilay fanoharana momba ny talenta (Matio 25:14-30), dia nomeny fahaizana hitrandraka ho Azy aho. Omeny valimpitia mahagaga ireo izay mahatoky amin’ny fanaovana izany : „Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao” (and 21). Fahasambarana toa inona moa ny hoe hiara-mifaly amin’ny Tompo Jesosy, amin’ny andro hanangonana any an-danitra ireo rehetra nino Azy !
Ndao handray ny fampirisihan’ny apostoly Paoly hoe : „Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” (1 Korintiana 15:58).