Zoma 26 Aogositra 2022
Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary moa hitaredretra va Izy ? … Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy ? Lioka 18:7, 8
Ny fandravana ny finoana kristiana, nandritra ny Revolisiona frantsay tamin’ny faran’ny taonjato faha-18, dia pôlitika natao mba hanafoanana ny fisainana momba Ilay „Andriamanitry ny Baiboly” : nopotehina ireo hazofijaliana, norarana ireo fety ara-pivavahana, nosakantsakanana ny fotoam-pivavahana sasantsasany… Amin’izao androntsika izao, ny antsoina hoe faharavan’ny finoana kristiana ao amina firenena iray dia ny maha miha vitsy tsikelikely ny tena kristiana. Izany no zavamisy, any amina firenena maro.
Koa miantefa amintsika ny fanontaniana apetrak’i Kristy : „Rehefa miverina Izy, hahita finoana etỳ ambonin’ny tany ve ?”
Fantatr’i Jesosy fa tsy hahatonga ny olona rehetra hiova fo tsy akory ny Filazantsara. Tsy ho tonga amin’ny finoana mihitsy izao tontolo izao, fa vao mainka aza haniasia kokoa hatrany, mandra-piditr’Andriamanitra an-tsehatra hitsara azy. Ny hany tsy hiharan’izany fitsarana izany dia ireo nino an’i Jesosy. Ireo no „olom-boafidiny”, dia ireo izay „mitaraina amin’Andriamanitra andro aman’alina”, ka hovonjeny.
Iza moa no anehoan’Andriamanitra faharipo ? Ny olombelona amin’ny ankapobeny, izay mandà tsy hino. Manohy ny lalany tsy misy an’Andriamanitra izy ireo, mandà ny fahasoavany, tsy miraharaha, indraindray aza mankahala ny mpino. Lehibe ny faharipon’Andriamanitra ! Saingy hisy fiafarany izany. Indray andro any dia hiverina Kristy, ho Mpamonjy ireo izay nino Azy, nefa kosa ho Mpitsara ireo izay nandà Azy.
„Hahita finoana etỳ ambonin’ny tany ve Izy ?” Ny fanontaniana lehibe fototra, ho antsika tsirairay, dia ny hoe : mino ny Tompo Jesosy ve ianao, mba ho voavonjy ?