Alakamisy 25 Aogositra 2022

Rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra. Jaona 6:15

Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina. Romana 14:17

 

Tsia, tsy mpanjaka ara-pôlitika

Teo amin’ity havoana tany Galilia ity ny vahoaka, nangetaheta handre ny tenin’i Jesosy. Nony hariva dia nanjary nilaina maika ny hanina, nefa ilay toerana nitoka-monina. Koa nampiasain’i Jesosy ny tao anaty haron’ny zazalahy kely iray, dia mofo dimy sy hazandrano roa, izay nampitomboiny. Dia lehilahy miisa 5000 no voky, tsy nisaina tamin’izany ny vehivavy sy ny ankizy (Matio 14:21).

Nanoloana izany fahagagana mahatalanjona izany, dia nihetsiketsika ny olona : Ity Jesosy ity no olona ilaintsika, mba handroaka ny Romana sy hitondra firoboroboana ho antsika ! Izy no Ilay Mesia nampanantenaina ! Ndao Izy ataontsika mpanjaka ! Dia niomana ny vahoaka haka Azy an-keriny sy hanao Azy ho mpanjaka.

Nefa fantatr’i Jesosy fa tsy hanjaka izao dieny izao Izy.

— Nokarakarainy aloha ny mpianany, nirahiny ho eny am-pitan’ny farihy (Marka 6:45).

— Dia nitokana irery tany an-tendrombohitra teo amin’ny manodidina Izy tenany, mba „hivavaka” (Marka 6:46). Izy tsy te hanjaka amina vahoaka izay lavitra an’Andriamanitra ny fony.

Eny, Jesosy dia tonga mba hampahafantatra ny fanjakan’Andriamanitra ; eny, Jesosy dia mpanjaka, nefa tsy ara-pôlitika ny tanjony. Jesosy dia tsy nanova ny rafitra ara-toekarena sy ara-piarahamonina, fony Izy tetỳ an-tany, fa nanova fo maro mba hanjaka amin’izy ireo, ao amina fanjakana lehibe sy maharitra kokoa noho izay fanapahana ara-pôlitika mihelina ihany. Ny toetran’io fanjakana io dia „fahamarinana, fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina”. Ao amin’io fanjakana io no ampidiran’Andriamanitra antsika dieny izao, rehefa novainy ny fontsika.