Alarobia 24 Aogositra 2022

Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao. Hebreo 11:3

Izay mino ny Zanaka (Zanak’Andriamanitra), manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36

 

Ny niandohan’ny aina

Rehefa nahavita lalana 3:200 tapitrisa kilometatra ilay sambondanitra japoney Hayabusa 2, dia tonga teo akaiky kelin’i Ryugu, ilay planeta kely nokendreny, ny 27 jona 2018. Ny tanjon’ity misiona ity dia ny hanangona fahalalana hanampy amin’ireo fikarohana momba ny niforonan’ny tontoloben’ny masoandro sy momba ny niandohan’ny aina.

Toa inona moa ny hery, asa, fahalalana nangonina, vola nolanina, mba hiezahana hahatakatra ny niandohan’ny aina ! Fanontaniana mitoetra tsy hisy valiny, satria lavin’ny olombelona ny fanambaran’Ilay Mpahary azy, Izay hany afaka manome valiny momba ny niandohany.

Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa „Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Nahary ny biby Izy. Namorona ny olona tahaka ny endriny (jereo Genesisy 1:20-27) ; „ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony ; dia tonga olombelona izy” (Genesisy 2:7).

Andriamanitra no niandohan’ny zavamisy rehetra. Izy no loharanon’ny aina. Satria tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona, dia voaheloka ho faty. Saingy tsy sitrak’Andriamanitra ny hamela azy ao amin’izany toerana izany. Mampahatsiahy ny apostoly Paoly hoe : „Fa ianareo dia efa maty tao amin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo”, izany hoe tsy nanana ny ain’Andriamanitra, tsy nanana fifandraisana aminy. Jesosy Kristy, Ilay „Tompon’ny aina” (Asan’ny Apostoly 3:15), dia niditra tao amin’ny fahafatesana, avy eo nitsangana ho velona indray, mba handringanany ilay nanana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly. Jesosy Kristy no „nahafoana ny herin’ny fahafatesana”, ka nampiseho „mazava ny fiainana” (2 Timoty 1:10). Ary mampita aim-baovao amin’ireo rehetra mino Azy aza Izy.