Talata 23 Aogositra 2022
Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy. Hebreo 12:1, 2
Tamin’ny taona 1952, Florence Chadwick, ilay tompondaka amerikana dia nikasa hiampita an-domano ny 40 km manasaraka ny morontsirak’i Californie sy ny nosy Santa Catalina. Rehefa nilomano nandritra ny adiny 15 izy, dia nisy zavona matevina nandiso lalana azy, hany ka nitsoaka an-daharana izy, nefa 1 km monja sisa tsy hahatongavany. Roa volana tatỳ aoriana dia nanandrana fanindroany izy, ary mbola nisy zavona matevina indray, nilatsaka teo ambony rano. Saingy nanohy hatrany izy, ka tonga tany amin’ny toerana nitodiany. Dia izy no vehivavy voalohany nahavita izany asan-kerimpo izany. Rehefa nanontaniana ny fomba nataony i Florence, dia namaly hoe : „Nieritreritra mafy dia mafy ilay torapasika tiako hitodiana aho, na dia tsy afaka nahita azy intsony aza”.
Ohatra iray ho antsika kristiana izany ! Matetika loatra isika no alaim-panahy hilavo lefona, ho kivy an-dalana, toy ny zanak’Israely teny an-dalana ho any amin’ny tany nampanantenaina azy ireo (Nomery 21:4).
Ahoana no hiainana ireo fotoana manjombona, mahakivy, feno fakam-panahy ? Mieritreritra ny tanjona ! „Aza tsipahina ao anaty haizina izay hitanao tao amin’ny mazava”, hoy ny poeta anglisy iray. Ao anatin’ireo fotoana feno tebiteby, dia ndao hifikitra amin’ny fahatsiarovana ny nanafahan’ny Tompo antsika imbetsaka. Ndao hanaiky hoe avy amin’i Jesosy izay zava-mitranga ao anatintsika ao, mety ho alahelo na hakiviana angamba… ary hiresaka aminy momba izany rehetra izany ao anaty vavaka. Ny tsiambaratelo mba hitozoana, hoy ny mpanoratra ny taratasy ho an’ny Hebreo, dia ny mibanjina an’i Jesosy. Ndao hieritreritra mafy an’i Jesosy, rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Hampiany isika haharesy ny zavatra rehetra sy hifahatra.