Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra… Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa ; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery. Isaia 40:30, 31

Na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. 2 Korintiana 4:16

 

Mandresy ny hakiviana

Ny tsirairay amintsika dia mety ho kivy amina fotoana iray eo amin’ny fiainana maha kristiana azy. Nefa hitantsika ao amin’ny Baiboly ireo loharanon-kery iadiana amin’izany hakiviana izany, dia ny fiadian’Andriamanitra rehetra (vakio Efesiana 6:11-17). „Ny finoana ho ampinga”, indrindra indrindra, dia ahafahana „mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy”. Ilay ratsy io dia mety hampiditra ao an-tsaintsika, ohatra, hoe : „Aiza ho aiza ny fampanantenana momba ny hiverenan’i Jesosy ?” Aoka homarihintsika ihany koa fa tafihin’ny devoly manokana ireo izay te hiaina eo anilan’i Jesosy sy te hanompo Azy. Ao amin’ny Teniny Andriamanitra dia mitaona antsika hiantehitra aminy : „Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko ; avy aminy ny famonjena ahy… Izy no antenaiko. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho” (Salamo 62:1, 5, 6). „Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko” (Salamo 27:1). Na miseho ho liona mierona i Satana na ho menarana fetsy, ny loharanon-kerintsika dia ao amin’ny Tompo mandrakariva, Izy no naharesy azy teo amin’ny hazofijaliana. Mila ny fanohanana sy fampiononan’Andriamanitra isika. „Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be” (Isaia 40:29). Jesosy dia manasa antsika hatoky Azy isanandro sy hametraka aminy ny fanahiantsika ny ampitso. „Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy” (Matio 6:34). „Ampy ho anao ny fahasoavako”. Ao anaty fahalemena lalina, Dia tsapanay, ry Tompo, ny fanampianao tsy toha ; Na ao anatin’ny fijaliana aza izahay, dia manohana ny finoanay Ianao, Ary manafy anay lalandava amin’ny fikarakaran’ny fitiavanao.