Alahady 21 Aogositra 2022
Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra. Salamo 19:1
Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô ! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra. Salamo 104:24
Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa [Andriamanitra]. Joba 9:10
Araka ny hevitry ny mpahay siansa, dia nahazo sary „mahazendana” maneho izao tontolo rehetra izao ny masolavitra lehibe (télescope) Hubble. Ireo sary ireo dia mampiseho eny amin’ny lanitra, zavatra toy ny rahona be manambana, mandray ny fara tara-pahazavan’ny masoandro milentika. Mazava aoka izany ny sisin’ireo rahona ireo, hany ka toy ny tena akaikin’ny tany mihitsy ny fahita azy. Nefa tsy rahona toy ny misy andavanandro izy ireo. Tsy mba ny hazavana averin’ny tany no manazava azy, fa ny famirapiratry ny afo nokleary eo afovoana vondron-kintana vao nipoitra. Ary io vondron-kintana io dia any amin’ny fito arivo taon-kazavana (années-lumière) avy eto amin’ny planeta misy antsika, izany hoe halavirana mihoatra ny efajato tapitrisa avo heny noho ny elanelana mampisaraka ny tany sy ny masoandro. Tarehimarika mahafanina izany. „Nony nahita ireo sary vaovao avy any amin’ny habakabaka ireo aho, dia niontana ny foko”, hoy i E. Weiler, lehiben’ny tetikasa Hubble.
Taonjato dimy amby roapolo mahery lasa izay, ny mpaminany Isaia ihany koa dia nanambara ny fitolagagany, manoloana ny halehiben’Ilay Mpahary : „Iza no namatra ny rano teo am-pelatànany… sy namory ny vovotany tamin’ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana ?” (Isaia 40:12). Nefa io Andriamanitra lehibe Mpahary io dia Ilay Andriamanitra Mpamonjy ihany koa (Titosy 2:10). „Madera sady malaza ny asany… Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy” (Salamo 111:3, 4).