Asabotsy 20 Aogositra 2022
Ary ankehitriny, inona no andrasako, Tompo ô ? Ianao no antenaiko. Salamo 39:7
Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko ; fa Izy no antenaiko. Salamo 62:5
Ampahany betsaka amin’ny fotoanantsika no lany iandrasana. Azo lazaina mihitsy aza fa ny olona dia miandry mandritra ny fiainany manontolo, satria raha vao teraka izy, na tsy mieritreritra izany foana aza, dia efa mizotra any amin’ilay fiafaran’izao fiainana izao, fiafarana tsy azo ihodivirana, dia ny fahafatesana. Hoy ny poeta Alcuin : „Ny fiainana dia fiandrasana ny fahafatesana”. Ny kristiana ihany koa dia mahafantatra fa hisy farany ny fiainany eto an-tany, saingy mifanohitra amin’ny tsy mino, manana ny fiainana mandrakizay azony avy amin’i Jesosy Kristy izy ; azony antoka izany.
Ny fahafatesana dia tsy mamarana ny fisian’ny olombelona tsy akory, satria „velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra” (Lioka 20:38). „Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:7). Nefa ny Baiboly dia manambara hoe : „Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13).
Manontany tena angamba ianao, hoe inona moa no atao hoe fiainana mandrakizay ? Tsy vitan’ny hoe velona mandrakizay fotsiny ihany izany. Jesosy mihitsy no namaly hoe : „Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Izay mahafantatra an’Andriamanitra, noho ny finoany an’i Jesosy Kristy, dia mahazo antoka hanana fiainana any am-paradisa aorianan’ny fahafatesana, ary tsy mba hiharan’ny fitsarana (Jaona 5:24). Ny vokatr’izany ho azy dia fiandrasana mahafaly sy feno fiadanana, hiaraka mandrakizay amin’i Jesosy Mpamonjiny. Hoy ny apostoly Paoly : „Maniry hiala [aho] ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany” (Filipiana 1:23).
Izaho izay navotan’i Kristy dia miandry izany am-piadanana sy am-patokiana, „amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay, izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga” (Titosy 1:2).