Zoma 19 Aogositra 2022
Koa esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra… 1 Petera 2:1
Esory aminao ny vava mandainga, ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. Ohabolana 4:24
„Ny fihatsarambelatsihin’ny saina dia mbola zava-doza kokoa noho ny hasiaham-po, satria manafina ireo heloka” (A.A. Pilavoine, 1845). Ny fihatsarambelatsihy dia ilay fihetsika manafina ny tena toetra na ireo tena fikasana, mba hisehoana ho tsara etỳ ivelany ka hananan’ny hafa fitokisana. Tsy inona izany fa hosoka mifototra amin’ny lainga, ny famitahana, ny endrika ivelany mahasodoka, tsy afa-miaraka amin’ny hitsimpo sy ny fahamarinana.
Ny Tompo Jesosy dia nanambara ny tenany ho „ny fahamarinana” ; tena izany Izy (Jaona 14:6). Ireo izay nanontany Azy, indray andro, hoe : „Iza moa Ianao ?” dia novaliany hoe : „Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany” (Jaona 8:25). Tsy nisy elanelana mihitsy teo amin’izay naha Izy Azy tany anatiny lalina indrindra sy izay nasehony tamin’ny hafa. Halany fatratra ny fihatsarambelatsihy, ary matetika novakiny bantsilana. Ny Filazantsara dia mampiseho amintsika ohatra vitsivitsy momba izany : ireo izay manao ampahibemaso, mba ho hitan’ny rehetra, asa fiantrana, vavaka, fifadian-kanina (Matio 6:2-16) ; ireo izay manaja an’Andriamanitra amin’ny molony, fa tsy amin’ny fony (Marka 7:6) ; ireo izay nanome tsiny Azy nanasitrana marary tamin’ny andro Sabata, nefa izy ireo aza mba mikarakara ny biby fiompiny amin’io andro io (Lioka 13:14, 15).
Mety ho mpihatsaravelatsihy isika tsirairay. Na fahalalam-pomba tafahoatra aza, indraindray, dia mety ho fihatsarambelatsihy. Ry kristiana, ndao ho mailo mandrakariva mba hanohitra io fironana io, izay mifanipaka amin’ny fihetsik’i Kristy, ary tsy anisan’ny toetra vaovaon’ny mpino.