Alakamisy 18 Aogositra 2022
Fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Jehovah. Genesisy 18:22
Dia nifoha marainakoa Abrahama ka nankany amin’ilay efa nijanonany teo anatrehan’i Jehovah… dia nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra. Genesisy 19:27, 29
Abrahama dia nanana tombontsoa tena lehibe tamin’ny niantsoana azy hoe „sakaizan’Andriamanitra” (Jakoba 2:23), satria olon’ny finoana nikolokolo fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra sy nino ireo fampanantenany, na dia sarotra ninoana aza ny hahatanteraka azy ireny (Romana 4:18).
Ny loharanon’izany fiainam-pinoana sy fatokiana izany dia tao amin’ny fifandraisana akaiky dia akaiky teo amin’i Abrahama sy Andriamanitra, nokolokoloiny tsy tapaka, toa fahazarana eo amin’ny fiainany. „Mbola” nijanona teo anatrehan’Andriamanitra izy, fiteny mampiseho fa ho azy dia izany no fomba fiainany. Nentiny teo aminy ireo antony nampitebiteby azy, fisalasalany, fanontaniany, fangatahany ho an’ny ankohonany. Ao amin’ity Genesisy 18 ity dia ny hanjo an’i Lota zana-drahalahiny no nampiasa saina azy. Isika ihany koa dia mety hitebiteby momba ireo izay tiantsika, ireo izay ao anaty toejava-tsarotra, na nanalavitra an’Andriamanitra. Io teny hoe „mbola” io dia mampiseho amintsika fa tsy sasatra nivavaka i Abrahama, ary mbola nivavaka ho an’i Lota hatrany. Ao amin’ny toko manaraka dia hitantsika izy niverina teo amin’ilay toerana nivavahany teo aloha, ary noho ilay antony teo aloha ihany. Nanontany tena angamba izy hoe nahoana Andriamanitra no toa manampin-tsofina tsy mihaino ny fangatahany. Tsy izany velively anefa : tamin’ny fotoana farany Andriamanitra dia nahatsiaro ireo vavak’i Abrahama, ary namaly ny finoany ka nanafaka ny zana-drahalahiny tamin’ny fitsarana hihatra amin’ny tanàna.
Ohatra lehibe toy inona moa izany, ho antsika —izay mora kivy-, mba hampirisika antsika mbola hijanona eo anatrehan’Ilay Andriamanitsika, hitondra ny adin-tsaintsika, sy hiverina matetika eo aminy, tsy hatahotra ny hisisika ! Hamaly Izy, amin’ny fotoana voatendriny.