Alarobia 17 Aogositra 2022

Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna, ka nanao tamin’ny olona hoe : Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra ; Izao angaha no Kristy ? Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’i Jesosy. Jaona 4:28-30

 

Nisokatra toy ny varavarana harafesina ny foko

„Mbola kely aho dia efa lasa eritreritra mafy momba an’i Jesosy. Tsapako fa nisy zavatra banga tato anatiko. Rehefa nijery namana kristiana aho, dia nahita fa nanam-piadanana izy ireo, tsy mba toy ny tao amin’ny fianakaviako, izay latsaka tao anaty tambolin’ny zava-mahadomelina sy ny famonoana olona. Tafalentika tao anaty harerahan-tsaina aho, harerahana nihamafy isaky ny nisy zava-doza vaovao nitranga tao amin’ny fianakaviako.

Voatery nanaraka fitsaboana ialana amin’ny zava-mahadomelina ny anadahiko iray, ka nangataka ahy mba hiaraka aminy, satria nanantena fa hanampy ahy ho afaka amin’ny aretiko izany. Tany no nahitako fa ireo izay nankany dia olona ohatra ny efa potika, nefa nianatra hifankatia. Tsy noresahina tany mihitsy na ny imam (mpitondra fivavahana silamo) na ny mpaminany, fa Andriamanitra irery ihany.

Tamin’izany fotoana izany koa dia nisy anadahiko iray nanjary kristiana, ka nangatahiko hanome Testamenta Vaovao ahy. Rehefa namaky izany aho dia niaina tena fiovana tanteraka. Arakaraka ny namakiako azy io no nahatsapako ny foko nisokatra toy ny varavarana harafesina. Takatry ny tenako manontolo ny andinin-tSoratra Masina tsirairay. Toy ny nisotro rano mamelombelona aho, ka tsy nisy foiko ho raraka, na dia indray mitete aza. Nahatsapa fifaliana hafa aho, tsy fahita, fihetsehampo tena mamy. Nanomboka niasa tato anatiko Jesosy.

Toy ilay vehivavy samaritana tantaraina amintsika ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona toko faha-4, dia iny aho fa nanomboka niresaka an’i Jesosy tamin’ny olona rehetra nifanena tamiko. Herinandro taorianan’izany dia nanjary nino an’i Kristy ny vadiko sy ny zanako telo.”

Nadia