Talata 16 Aogositra 2022

Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy, na amin’Andriamanitra na amin’olombelona. Asan’ny Apostoly 24:16

Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany ; fa ny Tompo no Mpitsara ahy. 1 Korintiana 4:4

 

Kaontera tsy dia voahitsy tsara

Raha tsy mora mihetsika intsony ny kaontera kilometrika, dia tsy manondro tsara ny fiovaovan’ny hafainganam-pandehan’ny fiara. Ary raha mandiso izy, dia hafainganam-pandeha ambany na ambony noho ny tena izy hatrany no hotondroiny. Eo amin’ny lafiny ara-toe-panahy, dia toy izany koa ny fieritreretantsika. Toy ny fitaovana saro-pady izy, ahafahana mandanjalanja ny tsara sy ny ratsy, nefa mety ho tsy mora mihetsika intsony, na handiso mihitsy aza.

Isika ve afaka mahita ny ratsy manodidina antsika, nefa tsy ho zatran’izany ? Indrisy fa tsia ! Fahadisoana nolazaina vao taona vitsivitsy lasa izay, hoe : „Tena mahatsiravina !” dia atao ankehitriny hoe : „Mba ratsy izany, nefa noho ny fivoaran’ny fomba amam-panao ankehitriny, dia tsy tokony hanakiana foana…”. Amin’izany ny tsara sy ny ratsy dia milona ao anaty manjavozavo manamora ny fiharoharoana ara-toe-panahy.

Rehefa tsy mihaino ny fieritreretana, dia manamafy azy, mandiso azy. Toejavatra mampidi-doza izany ! Ny kaontera mandiso dia tsy manala tsiny ny mpamily tsy ho voasazy noho ny hafainganam-pandeha mihoatra ny fetra. Ny fitaovam-pitilian’ny mpitandro filaminana ihany no manan-danja !

Ny fieritreretantsika dia mety ho fitaovana somary simba ihany. Simban’ny fifampikasohana matetika amin’ny ratsy izy, nefa koa azo hatsaraina amin’ny famakiana tsara ny Tenin’Andriamanitra. Ao anaty Baiboly no ahitan’ny kristiana „fenitra azo antoka”, izay niainan’i Kristy tanteraka. Ny apostoly Paoly dia tia sy naka tahaka ny Tompony. Toa azy, dia ndao hitandrina „mba hanana fieritreretana tsy manameloka… na amin’Andriamanitra na amin’olombelona”.