Alatsinainy 15 Aogositra 2022

Olona tokony hanao ahoana moa ianareo, amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra… Ry malala, … mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. 2 Petera 3:11, 14

 

Fideran’ny filôzôfa iray ny finoana kristiana

Aristide avy any Atena, filôzôfa grika tamin’ny taonjato faha-2, dia niova fo ho amin’ny finoana kristiana. Nitsidika an’i Atena ny amperora Hadrien, no namelabelaran’i Aristide lohahevitra hoe „Fiarovana ny fivavahana kristiana” (Apologie de la religion chrétienne). Fijoroana ho vavolombelona momba ny kristiana no namaranany ny lahateniny, hoe :

„Nahita ny fahamarinana izy ireo… Satria mahafantatra Ilay Andriamanitra Mpahary izao rehetra izao tao amin’ny Zanany Lahitokana, ary tsy mba mivavaka amina Andriamanitra hafa ankoatra Azy. Voasokitra ao am-pon’izy ireo ny didin’ny Tompo Jesosy Kristy, ary mitandrina izany izy ireo eo am-piandrasana ny fitsanganan’ny maty ho velona indray, sy ny fiainan-ko avy. Tsy mba mitsiriritra zavatr’olona izy ireo ; manaja ray sy reny ; tia ny namany ary tsy manao amin’ny hafa izay tsy tiany hatao amin’ny tenany. Miezaka izy ireo hanao soa amin’ny fahavalony. Malemy fanahy izy ireo, mipirimpirina. Tsy manao tsinontsinona ny mpitondratena ary tsy manisy ratsy ny kamboty. Izay manankarena dia manome an-kitsimpo ho an’ny mahantra. Raha mahita vahiny izy, dia mampiantrano azy. Vonona izy ireo hanolotra ny ainy ho an’i Kristy. Miaina am-pahamasinana sy am-pahamarinana izy, araka izay nandidian’ny Tompo Andriamanitra azy, ka misaotra Azy amin’ny fotoana rehetra.

Ry mpanjaka ô, tsy milaza izany zavatra izany avy amin’ny tenako samirery aho ; fa jereo any amin’ny raki-tsoratry ny kristiana, dia ho hitanao fa tsy nilaza afa-tsy ny marina aho.”

Tsy fijoroana ho vavolombelona mahafinaritra ve izany ? Mampisaina ireo rehetra milaza ny tenany ho kristiana. Ary ahoana moa isika ihany koa raha mba mikaroka, ao amin’ireo filazantsara, ny atao hoe kristiana, sy ny fomba ahafantarana azy ? Ho azo hararaotina izany mba hahatonga ho kristiana, ho kristiana tena izy !