Alahady 14 Aogositra 2022
Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra ! Nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao. Salamo 8:1
Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy ? Salamo 8:3, 4
Mahazatra ankehitriny ny miresaka momba ireo tsy hita fetra roa karazana, dia ny lehibe tsy manam-petra, ny an’ny kintana izany, sy ny bitika tsy manam-petra, ny an’ny atôma izany.
Indro anefa ny siansa môderina fa mahita tsy misy fetra iray fahatelo, dia ny an’ny fifamahofaho. Ny tampon’izany dia ny an’ny atidohan’olombelona. Noho ireo sela an’arivo tapitrisany miara-mifandray, amin’ny alalana teboka marobe, dia tsy hita isa ny fifamalianasa (interaction) : izany no fototra mahagaga mahatonga ny fisainana.
Inona moa ny olombelona ? Izy no faratampony amin’ny zavaboary. Tsy fitambarana sela marobe fotsiny izy, fa mihoatra noho izany : fanahy velona, zavamananaina tompon’andraikitra, olona afaka miteny hoe : „Misy aho”, ary afaka mifandray amin’Andriamanitra mihitsy, Ilay Mpahary azy. Nefa ny olona dia zavamananaina very zo ihany koa, raha jerena ny loharano nipoirany : mitsontsorika midina izy, eo amin’ny lafiny ara-toe-panahy. Zavamananaina feno fifanoherana ny olona, sady lehibe no ambany dia ambany koa indraindray, ka mitoetra ho zava-miafina amin’izy tenany, na momba ny toetrany na momba izay hiafarany, mandra-pahatonga ny fotoana anehoan’Andriamanitra ny tenany aminy.
Satria tia azy Andriamanitra, dia naneho ny tenany taminy, tao amin’i Jesosy. Ireo rehetra nandray ny Zanany dia nomen’Andriamanitra zo ho tonga zanany (Jaona 1:12). Izay mino an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia mifamatotra aminy. Mahagaga loatra ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny olombelona !