Asabotsy 13 Aogositra 2022

Hatramin’izany no vao natoron’i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy, ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo. Matio 16:21

 

Nijaly ho antsika Jesosy

Nanakaiky ny fotoana hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana. Vao mainka Izy nianjadiam-pijaliana kokoa sy nanirery. Irery Izy nanoloana ny lonilony, avy eo ny fankahalan’ny olona. Marina fa mba nisy feo vitsivitsy ihany nomba Azy. Hoy ny sasany : „Ity tokoa no Ilay Mpaminany”, ny hafa hoe : „Ity no Kristy” (Jaona 7:40, 41). Mba nanandrana niaro Azy i Nikodemosy, mpikambana ao amin’ny fitsarana jiosy. Vetivety foana anefa dia nampanginina ireny feo rehetra ireny, ka tavela ho irery Jesosy. Nivadika taminy ny mpianany iray, nandà Azy ny iray hafa, avy eo nandao Azy izy rehetra. Efa nahafantatra izany mialoha Izy : „Hilaozanareo ho irery Aho” (Jaona 16:32 ; Matio 26:56). Rehefa notsarain’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy Izy, ary avy eo notsarain’i Pilato talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia tsy nisy feo na iray aza nomba Azy, tsy nisy namana na iray aza niaro Azy, tsy nanana mpisolovava Izy, na iray aza.

Dia inona àry no niseho tao amin’ny fanahin’ny Tompo ? Misy teny vitsivitsy ao amin’ny Salamo, mamboraka izany : „Ny latsa dia nanorotoro ny foko, ka reraka indrindra aho ; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita” (69:20). „Akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy” (22:11). „Foana avokoa ny fiarovana ahy ; tsy misy miahy ny fanahiko” (142:4). Nefa mbola nifamatotra tamin’Andriamanitra Rainy ihany Jesosy : „Tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko” (Jaona 16:32).

Fa teo amin’ny hazofijaliana kosa Izy dia tsy maintsy niantsoantso hoe : „Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” (Marka 15:34). Nilaozana Izy, satria nitondra ny otan’ny olona, ny fahotan’ireo izay mino Azy. Fijaliana toy izany ve dia afaka tsy hampihontsona antsika ?