Zoma 12 Aogositra 2022

Izaho hilaza an’i Jehovah hoe : Fialofako sy baterỳ fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako. Salamo 91:2

 

Voavonjy noho ny jiro famantarana iray

Ny 14 aogositra 2018 dia nody avy tany Toscane (Italia) i Roland sy Véronique. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 minitra dia nisy nirehitra ny jiro famantarana teo amin’ny fiarany : misy olana ao amin’ny motera. Avy be ny orana, ary marobe ny fiara nifamoivoy. Niala tamin’ny arabe migodana (autoroute) i Roland, taloha kelin’ny hidirana teo amin’ny tetezan’i Morandi, any Gênes. Indro anefa fa maty ilay jiro famantarana, ka nanapa-kevitra izy mivady hiverina amin’ny arabe migodana mankany Frantsa, any amin’ny fidirana manaraka. Aorianan’ilay tetezan’i Morandi.

Tampoka teo dia nantsoina maika izy ireo, mba hahafantarana ny toerana misy azy. Ary teo izy mivady no nahalala fa nihotsaka ny tetezan’i Morandi, tamin’ny 11 ora sy 36 minitra.

— Ho nianjera niaraka taminy ve izahay sa tsia ? Tsy fantatro mihitsy, hoy i Roland. Fa tamin’ny fotoana nialanay ny arabe migodana, dia tsy naninon-tsy naninona ilay tetezana ; nefa rehefa niverina teo amin’ny arabe aho, dia efa nihotsaka izy.

Zavatra iray hafa azo antoka : tsy nirehitra intsony ilay jiro famantarana, na tamin’io andro io na mandraka izao. Narovan’Andriamanitra tsy ho tratran’ilay loza ve ry zareo ? Raha eny, nahoana no izy ireo fa tsy ny hafa ? Tsy misy valiny ny fanontaniana…

Tena mbola mihetsi-po mafy hatrany anefa i Véronique, isaky ny mahita indray ny sarin’ilay tetezana nihotsaka, ary mivavaka ho an’ireo fianakaviana voakasik’io loza io.

— Raha maty tany Gênes izahay, dia ho nifanatrika tamin’Ilay Andriamanitra Raintsika any an-danitra, hoy i Roland sy Véronique, resy lahatra. Nefa satria mbola velona izahay, dia te hanampy olona hafa mba hahavita fihavanana azy ireo amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy. Satria ny hoe tsy matahotra ny fahafatesana no tena miaina marina !