Alakamisy 11 Aogositra 2022

Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany, mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy. Filipiana 1:6

Andriamanitra no tokony hekena, mihoatra noho ny olona. Asan’ny Apostoly 5:29

 

Mivoaka avy tao amina sekta : fijoroana ho vavolombelona sy fisaintsainana

„Nisy fotoana aho niaro io sekta io ; ary nisy fotoana hafa kosa, nanameloka azy. Farany dia nihalevona ihany izany fiovaovan-kevitra nampijaly izany, saingy afaka taona maro nahasitrana ahy tato anaty.

Indraindray dia mora kokoa ny manome tsiny ny tena, noho ny manilika ny fahadisoana any amin’olona natao filamatra. Ny miaiky ny fahadisoan’ilay môdely natao fenitra mantsy dia fanekena fa nanaiky hofitahina ny tena.

Rehefa mibaboka ny fahadisoan-dalana, dia mamboraka ny fahalemen’ny tena manokana ; nefa izany dia fanafahana, satria mamela heloka Andriamanitra. Saingy tsy mijanona eo ny fahamelohana : maro amin’ireo mpikambana taloha tao amina sekta no mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra, tamin’ny nitarihany olona hafa ho ao anatina vondrona manana foto-pampianarana manimba. Fa amin’izany koa, dia mamela heloka Andriamanitra.

Hatramin’ny nialako tao amin’io sekta io, indraindray aho dia mahatsiaro harerahan-tsaina mafy. Fahatsapana ho nilaozana sy alahelo mafy no mameno ahy. Nefa Andriamanitra dia mampahery ahy amina fomba manokana mandrakariva. Omeny antoka aho fa hitany sy takany ireo fijaliako, fa ho eo anilako lalandava Izy, ary hikarakara izay ilaiko.

Mba hialako tao amin’ilay vondrona, dia tsy maintsy nailiko tsy ho ao an-tsaiko intsony ny tahotra olona. Hoy ny Baiboly amintsika : „Mamandrika ny tahotra olona ; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena” (Ohabolana 29:25). Ahoana moa no tena hankatoavana marina an’Andriamanitra, raha matahotra mandrakariva ny handiso fanantenana ny hafa isika ? Tsy maintsy zakaintsika ny vokatry ny tsy fankatoavantsika olona, raha izay indrindra no hankatoavantsika an’Andriamanitra.”

(araka an’i M. Declair)