Alarobia 10 Aogositra 2022
Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:8
Efa nihaino tokoa Andriamanitra ; efa nihaino ny feon’ny fivavako Izy. Salamo 66:19
Aldi, tovolahy indoneziana 18 taona, dia niasa teny ambony-na „rompong” (zahatra fanjonoana misy trano kely), niantsona teny akaikin’ny nosy Célèbes. Anjarany ny manara-maso ilay jiro isintonana ny hazandrano mba hamandrihana azy ireo. Tamin’ny volana jolay 2018 dia nisy tafiotra nanapaka ny tady nihazona ilay zahatra, ary satria tsy nisy motera na fivoy ilay zahatra, dia nanalavitra… tany amin’ny 2500 km i Aldi, nandritra ny fito herinandro. Mba hihazonany aina, dia voatery nisotro ranomasina izy, notantavaniny tamin’ny akanjony mba hialan’ny sira, sy nihinana hazandrano nosamboriny tamin’ny tanana.
Nandritra ireo herinandro lavabe ireo i Aldi dia nahita sambo folo mahery, nandalo nefa tsy nijanona. Farany izy dia afaka nandefa hafatra tamina radio kely nomen’ny namany. Voaraina kapitenin-tsambo panameana iray ny hafatra nalefany, ka niverin-dalana izy mba hamonjy azy. Na teo aza ny harerahan’i Aldi, dia afaka nitsambikina tany anaty rano izy, namikitra tamin’ny tohatra tady natsipy avy teny an-tsambo, ary voavonjy !
Rehefa nanontaniana ny fomba nataony mba tsy ho kivy i Aldi, dia niaiky fa imbetsaka izy no efa nieritreritra hitsambikina tany an-dranomasina mba hanafohezany ny fijaliany sy ny tebitebiny. Fa ny nihazona ahy, hoy izy, dia ilay tenin’ny ray aman-dreniko, niverina tsy tapaka tao an-tsaiko, hoe : „Rehefa mamoy fo ianao, dia mivavaha”.
Tsy nanana zavatra firy i Aldi teo ambony zahatra, nefa nanana Baiboly. „Raha tsy noho ny vavaka sy ny famakiana ny Baiboly, dia tsy ho velona aho”, hoy izy.
Nanontaniana ny reniny, ary nanazava hoe : „Nilaza tamin’ny vadiko ny mpampiasa an’i Aldi fa tsy hita izy. Koa dia nitoky tamin’Andriamanitra izahay, ary nivavaka mafy ho azy”.