Talata 9 Aogositra 2022

[Andriamanitra] nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany. Kolosiana 1:13

 

Fivavahana sa fifandraisana ?

„Fanapoizinan’ny fivavahana ny zavatra rehetra.” Araka ny mpanoratra ny boky mitondra io lohateny io, ireo karazam-pivavahana dia mahatonga ho manaiky lembenana, manakantsakana ny fomba fiaina ary mitarika ho amina fifandirana.

Indraindray ny fivavahana dia faritana ho „fitambarana finoana, fihetsehampo, foto-pampianarana sy fomba fanao mamaritra ny fifandraisan’ny olombelona amin’ny atao hoe ny masina na ny andriamanitra”. Ny olona tokoa mantsy dia tsy maintsy mamaly ireo filan’ny fanahiny. Izany no mampiavaka azy indrindra amin’ny biby. Ny fivavahana dia mihambo ho mampifandray ny olona amin’Andriamanitra.

Taomin’Andriamanitra isika, tsy hoe mba hanana antokom-pivavahana, fa mba hiditra ao amina fifandraisana feno fifaliana sy fatokiana aminy. Ny manakana ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra dia ny ota, satria Andriamanitra dia masina. Hoy ny Baiboly : „Ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” (Isaia 59:2). Nefa Andriamanitra dia manolotra antsika ny fomba hihavanana aminy. Ireo rehetra mino an’i Jesosy sy manaiky hofoanan’ny sorona nataony ny fahotan’izy ireo, „dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Amin’izay Andriamanitra dia fantatra ho Ray. Io fifandraisana io no ahafahantsika misitraka ny fikarakarany, ny fitiavany, ny tambitambiny, ary mihaino ireo torohevitra omeny. Izany dia tsy mitovy mihitsy amina antokom-pivavahana mandidy antsika amin’izay tsy maintsy atao sy tsy azo atao. Ambonin’izany, ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia antsika manokana, ary misy akony eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, indrindra amin’ireo mitovy finoana amintsika.