Alatsinainy 8 Aogositra 2022
Izy (Jesosy)… niantso tamin’ny feo mahery hoe : Ry Lazarosy, mivoaha ! Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona : Vahao izy, ka avelao handeha. Jaona 11:43, 44
An’i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ny fahafatesana. Salamo 68:20
Ireo filazantsara dia mitantara fotoana telo nananganan’i Jesosy olona tamin’ny maty. Ireo tranga ireo dia manaporofo fa Jesosy no Ilay „naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra” (Romana 1:4) ary manana fahefana hiteny hoe : „Izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy… Izaho hanangana azy amin’ny andro farany” (Jaona 6:40).
— Jairo, mpanapaka ny synagoga, dia nangataka an’i Jesosy hankany aminy mba hanasitrana ny zanany vavy izay efa ho faty. Talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tany anefa dia nisy olona nilaza tamin’ilay ray mampalahelo hoe tara loatra, satria efa maty ilay zanany. Nampahery azy Jesosy ary nitaona azy mba hino : „Aza matahotra ; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy” (Lioka 8:50) ; dia nankany amin’ilay zazavavy Izy ary namelona azy.
— Indray andro Jesosy, niaraka tamin’ny mpianany sy vahoaka marobe, dia nifanena tamin’olona handeha handevina : mitondra ny zanany lahitokana halevina ny vehivavy mpitondratena iray. Tohina tamin’ny fahorian’ilay reny Jesosy, ka „nony nahita an-dravehivavy… dia onena azy ka nanao taminy hoe : Aza mitomany” (Lioka 7:13). Natsangany ho velona ilay maty, nobaikoiny mba hiarina, ary natolony an-dreniny.
— Marta sy Maria, mpirahavavy, dia nampilaza tamin’i Jesosy fa marary i Lazarosy anadahiny. Mbola niandry roa andro Jesosy, ary tonga nony efa voalevina i Lazarosy. Natsangany ho velona izy. Fa talohan’izany, tohina tanteraka ny fony manoloana ny fahorian’ny olombelona, ary niseho izany tamin’ny teny roa hoe : „Jesosy nitomany” (Jaona 11:35).
Tsy miova ny fiombonam-pon’ny Tompo, na amin’izao fotoana ankehitriny izao aza, satria Izy koa dia efa nitsangana tamin’ny maty ary nampiakarina any an-danitra. Tiany ny hampionona antsika amin’ireo fahoriantsika rehetra, indrindra amin’ny fahazoana antoka fa tsy ho ela dia hatsangana ho velona ny zanak’Andriamanitra rehetra.