Alahady 7 Aogositra 2022
Fa ny Ray dia tia anareo. Jaona 16:27
Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. 1 Jaona 4:19
Am-polon-taonany vitsivitsy lasa izay, nihevitra ireo mpahay toekarena fa ny fitombon’ny famokarana dia ho afaka manatsara aoka izany ny toe-piainana, hany ka hanjary sambatra kokoa sy hifankatia kokoa ny olona. Tena nisy tokoa fihatsarana nisongadina, saingy niteraka ihany koa tsy fahafahampo maharitra, noho ny fitsinjarana tsy ara-drariny ny harena vokarina sy ny asa, miaraka amin’ny olana ateraky ny tsy fananana asa…
Zavatra hafa tanteraka no ambaran’ny Baiboly antsika. Ny fahasambaran’ny olona dia tsy maintsy vokatry ny fifandraisany tsara amin’Andriamanitra, ary avy amin’izany, ny fifandraisany tsara amin’ny mpiara-belona aminy. Izany no manome ny tena dikan’ny fiainana, fa tsy ny harena ara-bola sy ny fahafinaretana entiny.
Raha mino ny Tompo Jesosy sy ny lanjan’ny sorona nataony aho, dia mahazo ny famelana ireo fahotako sy ny fiainana mandrakizay. Dia miditra toy ny ao amina tontolo vaovao aho, ao amin’ny tontolon’ny fitiavan’Andriamanitra. Nasehony antsika ny fitiavany, tamin’ny nanolorany ho antsika ilay fanomezana mahagaga indrindra azo alaina an-tsaina, dia ny fanomezany ny Zanany mihitsy. Manoloana fanomezana toy izany, dia takatro fa tsy an’ny tenako intsony aho. Manomboka eo izany fiainana vaovao izany dia manetsika ahy hanokana ny tenako ho an’Andriamanitra, ka hikatsaka izay mahafaly Azy. Dia fifandraisana feno fifaliana no miorina eo amiko sy Andriamanitra, Izay fantatra, tsy hoe Ilay mitaky tsy akory, fa Ilay manome sy anolorana tena. Satria ny fitiavana dia miandry valiny, na dia kely monja aza ny famaliako ny fitiavan’Andriamanitra ahy, oharina amin’ny fitiavana nitiavany ahy.
Mba hovalian’ny fitiavako anie ny fitiavanao, Andriamanitra ô, Ianao Izay tia ahy mandrakariva !