Asabotsy 6 Aogositra 2022
Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20
Ny finoako ny Zanak’Andriamanitra, maty sy nitsangana ho velona indray, no mampitovy ahy aminy. Niara-maty taminy aho, nefa koa velona, mitovy toetra aminy, ka noho izany, afaka miaina toy ny niainany.
Maty, izany tokoa no lazain’ny apostoly eto, hoe : „Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana”. Zavatra ilaina izany, mba hialana amin’ny fanandevozan’ny ratsy, mba hanoherana ny fanirian-dratsy isan-karazany : avonavona, lainga… Na ny mpino aza dia ho resy, raha miezaka amin’ny heriny samirery hanohitra ny ratsy, satria matanjaka kokoa noho izy ny ratsy. Fa nahoana moa ? Raha „miara-maty amin’i Kristy” aho, iza no tokony hiditra an-tsehatra mba handresy ny ratsy ? Kristy, Izay velona ato anatiko !
Araka izany, ny tsiambaratelo mahatonga antsika ho afaka, manoloana ny ratsy, dia ny miara-miaina amin’i Jesosy ; mihoatra noho izany aza, dia hoy ny apostoly Paoly : „Kristy no velona ato anatiko”. Noho ny finoana, isika mpino tsirairay dia samy nandray ny ain’i Jesosy ; koa ndao hihaino ny feony, amin’ny famakiana ny Teniny. Ndao hiteny, hiresaka tsy tapaka aminy momba ireo safidy atao eo amin’ny fiainantsika. Ny hoe miaina ao anatin’ny fahafahana miaraka amin’i Jesosy, dia ny mamela Azy koa hampiasa ireo fahaizako, izay rehetra noraisiko tamin’ny tanany nahary ahy ; ny mahita fahafinaretana rehefa manatanteraka izay lazainy ahy, manaraka ny lalany, manjary „mpiara-miasa” aminy ; ny miara-mihevitra aminy, mitoetra eo anilany, mahita ny zavatra toy ny fahitany azy… Filamatra mahatalanjona anie izany e ! Mety ho tratra ve ? Andriamanitra dia manome antsika ny loharanon-kery rehetra, hamaliana ny finoantsika isanandro.
Fanomezana madiodio avy amin’ny fahasoavany io fahafahana io, nefa koa mahatonga ahy hanana andraikitra hijery, miaraka amin’i Jesosy, ireo fahalemeko sy fahadisoako. Henoy Izy miteny amintsika hoe : „Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:9).