Zoma 5 Aogositra 2022
Anaka, aza manadino ny lalànako ; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko ; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao. Ohabolana 3:1, 2
Mahonòna tena amin’ny zavatra rehetra. 2 Timoty 4:5
Impiry impiry moa isika no mahare miverimberina hoe : Ny fahasalamana, izany no zava-dehibe ! Izany fiteny izany dia mampiseho fa ny fahasalamana sy ny fiainana ara-batana no mampiady saina voalohany indrindra ny maro amintsika. Ezaka toa inona moa no atao, fikarohana manao ahoana, nefa koa dokambarotra maro aoka izany, mba hitandrovana ny fahasalamana, hikolokoloana ny toe-batana, hikajiana ny bika, hiainana elaela kokoa… !
Ny Baiboly dia tsy mba mametraka ny fahasalamana ho alohan’ny zavatra rehetra. Lehibe kokoa sy avo kokoa ny fijeriny. Ny fahasalamana ara-panahin’ny olona aloha no kendreny. Nefa ny toe-po amam-panahintsika dia matetika misy fiantraikany amin’ny fiasan’ny vatantsika. Ny zavatra lehibe indrindra ilaina, ambonin’ny zavatra rehetra, dia ny hananana fihavanana amin’Andriamanitra. Ary Jesosy Kristy no hany fanafody (jereo Romana 5:1). Dia ho tapitra hatreo ireo alahelo mifamatotra amin’ny tahotra ny fahafatesana sy amin’ny tsy fananana tanjona eo amin’ny fiainana ! Afaka migoka ny fahatoniana sy ny fifaliana ny fanahintsika, manana fanantenana, ary ny vokatr’izany matetika dia zavatsoa hita eo amin’ny vatantsika.
Raha manaraka ireo fampianaran’ny Baiboly isika, dia ho voaaro amin’ny fanaranam-po maro, izay matetika manimba ny fahasalamana. Mifikitra amin’ny Tompo isika, ka tsy mitodika manontolo amin’ny tenantsika intsony ireo eritreritsika, ary afaka mahita fientanana vaovao isika, hanaovana zavatra ara-batana sy ara-tsaina. Tsy midika tsy akory izany fa tsy harary mihitsy isika. Tsia, mety hiharan’ny fijaliana mianjady amin’ny olona rehetra ihany isika ; nefa ndao hanaiky izany am-pankatoavana sy am-paharetana, satria fantatsika fa tia antsika Andriamanitra ary mikatsaka izay hahasoa antsika.