Alakamisy 4 Aogositra 2022

Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra. Salamo 34:4

Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy… Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Salamo 34:7, 15

 

Ny fijerin’Andriamanitra

Fisaintsainana momba ny Salamo 34

Davida dia mpino. Zava-manahirana maro no nanamarika ny fiainany ; nenjehina izy, ohatra, ary tsy maintsy nandositra imbetsaka mba hanavotany ny ainy. Nefa nanafaka azy ny Tompo. Miresaka izany amintsika ity Salamo 34 ity. Ny mpino tsirairay dia afaka mandray ho azy manokana ireo tenin’io salamo io.

Na aiza na aiza misy anao, dia maheno anao ny Tompo ary mahay manafaka anao amin’ireo ahiahinao. Ny olona faran’izay tsotra dia afaka miantso an’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra lehibe, Andriamanitr’izao tontolo rehetra izao, Izay mahare azy ary manafaka azy. Na manankarena ianao na mahantra, na tanora vao herotrerony na efa tena zokiolona, na salama na marary, io Andriamanitra nahare sy nanafaka an’i Davida io ihany koa dia mahare anao, any amin’izay toerana misy anao.

„Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina”. Iza moa ireo marina ireo ? Ireo dia izay „matahotra ny Tompo”, izany hoe ireo mpino tia Azy sy manaja Azy.

Sarotra aoka izany angamba ny toe-piainanao ankehitriny, hany ka tsapanao ho toa manohitra anao ny zavatra rehetra, ary mahatsiaro ho tena irery ianao. Mampisy fangidiana ao aminao ny hakiviana aterak’izany, ary toa miha mafy kokoa hatrany ny fiainana, aminao.

Ao anatin’izany toejavatra izany dia tsarovy fa tsy irery ianao na oviana na oviana, na amin’ny andro faran’izay manjombona aza. Ilay Tompo nitsinjo an’i Davida mpanompony ihany no miahy anao koa, amin’izao fotoana izao indrindra. Mandre ny antsoantsonao Ilay Andriamanitra tsy niovaova nitantana azy sy nikarakara azy. Nametraka fitokisana tamin’Andriamanitra i Davida, mba hafahany ; afaka mitoky aminy koa ianao !