Alarobia 3 Aogositra 2022
Izaho (Jesosy) avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Jaona 10:10
„Nobeazina tao amina fianakaviana jiosy nanana ny ampy tany Etazonia aho. Nahatsapa anefa aho, teo amin’ny faha-17 taonako, fa tsy mahafa-po ny faniriako lalina ny fiainako. Nanontany tena momba ny dikan’ny fiainana aho. Tamin’izany fotoana izany aho dia nahamarika fiovana lalina tao amin’ny zokiko vavy. Talohan’izay izy dia niaina fiainana misavoamboana toy ny ahy. Nohazavainy hoe ny nahafantarany manokana an’i Jesosy no nanova azy, ary nolazainy fa Jesosy no Ilay Mesia. Toa hadalana izany, tamiko. Nahazo fanabeazana jiosy mendrika izy, ary manan-javatra hafa tsara kokoa hatao, fa tsy tokony hilaozany hihaino izany finoanoam-poana izany…
Ary iny koa ny reniko sy ny zandriko vavy fa nanomboka namaky ny Testamenta Vaovao sy niresaka an’i Jesosy tamiko. Toa zavatra mahatsiravina avokoa izany rehetra izany, tamiko. Nanapa-kevitra aho hiady amin’ny Baiboly, nefa mila mamaky azy aloha. Refefa namaky ireo pejy miresaka an’i Jesosy aho, dia nanontany tena ny aminy. Hatry ny ela aho no efa nanamafy ny foko nanohitra Azy, nefa te hahafantatra hoe Izy ve no Ilay Mesia, ary izaho ve afaka manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra amin’ny alalany. Koa nivavaka tamin’Andriamanitra aho, nangataka Azy hanambara amiko ny fahamarinana. Dia namaly ahy Izy. Nino an’i Jesosy aho, ary niditra teo amin’ny fiainako ny fitiavany. Nanjavona ilay fahatsapana fahabangana tato am-poko, ary ankehitriny ny fiainana dia hitako ho toejava-tsy ampoizina mahafinaritra.
Telo taona izao no naha kristiana ahy. Tsy nahatsapa ilay fahabangana teo aloha intsony aho, na indray mandeha aza. Nefa aho nilaozan’ny namako sasantsasany. Manana filamatra sy tanjona tsy nananako teo aloha aho : Jesosy no nampita ireo tamiko.”
araka an’i Shelley K.