Talata 2 Aogositra 2022

Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin’ny masoandro, dia harena tehirizin’ny tompony, nefa mampidi-doza amin’ny tenany. Mpitoriteny 5:12

Manaova… harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra. Lioka 12:33

 

Tsy misy vidiny

Toy ny tanora maro nitovy taona amiko, dia nahavatra nanangona hajia aho. Tamin’izany fotoana izany aho dia nijery matetika ny sandan’ny hajiako tao amin’ireo boky milaza izany, ary nihevitra fa mba nanana renivola kely. Vao tsy ela nefa aho no nanontany mpanangona hajia iray ny tombambidin’ireo hajia nangoniko : tena gaga aho nandre fa tsy dia misy vidiny intsony izy ireo.

Nisy vehivavy mpifanolo-bodirindrina taminay, niangavy ahy mba hanontany ny tombambidy-na famantaranandro be iray ankehitriny, famantaranandro novidiny lafo dia lafo. Izay nalehako rehetra dia nahazoako valinteny hoe : „Tsy mandeha intsony ny varotra famantaranandro be”.

Izany indrindra no nolazain’i Solomona : „Zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra !” Tsy tambo isaina ny zavatra tsy misy vidiny intsony.

Fa izaho kosa dia manana harena tsy mety mihena vidy, tsy mety simba, tsy hay angalarina, ary any an-danitra (Lioka 12:33). Izany dia Jesosy, Ilay Mpamonjiko, Ilay Zanak’Andriamanitra. Manana boky izay vao mainka araka ny toetrandro koa aho, dia ny Baiboly. Nanomboka tamin’ny nanoratana azy, na betsaka aza ny ezaka natao handevonana na hampihena lanja azy, dia mbola amidy hatrany izy, mbola vakina olona an-tapitrisany, ary mbola mamaly ny filan’ny olombelona, na dia tena samy hafa aza ireo filana ireo. Raha raisintsika amin’ny maha Tenin’Andriamanitra azy ny Baiboly, dia hampifandray antsika aminy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.

Koa raha tsy itokisanao intsony ny sanda miovaova eo amin’izao tontolo izao, eo amin’ny pôlitika, eo amin’ny fitsarana… dia mitodiha amin’Andriamanitra, vakio ny Baiboly. Tsy ho diso fanantenana ianao na oviana na oviana, ary ao no hahitanao fahamafy orina, fiadanana, fifaliana ary fitoniana.