Alatsinainy 1 Aogositra 2022

Fa izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana. Filipiana 4:11

Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Filipiana 1:21

 

Inona no antony ahavelomantsika ?

Ilay nanoratra ireo andininy voatanisa androany eo ambony ireo ve niaina tao anaty renty, nisitraka ireo tombontsoan’ny fiainana, voahodidin’ny fitiavan’ny fianakaviany ? Tsia, fa ny apostoly Paoly dia gadran’ny Romana. Koa inona àry ny tsiambaratelon’ny fitoniany sy ny hery ao anatiny ?

Tsy antokom-pivavahana ho nosafidiny, na fitsipi-pitondrantena ho narahiny ; fa olona iray tiany. Izany no loharanon-kery ao anatiny, tao amin’ny fijaliana nianjady taminy : „Fa Kristy ny anton’ny ahavelomako”. Mety noheverin’ireo mpiara-belona taminy ho tsy nahomby ny fiainany, nefa tsy nampaninona azy izany : tao amin’i Jesosy Kristy no nahitany ny valiny rehetra nilain’ny fieritreretrany sy ny fony.

Tsy natokana ho an’ireo apostoly tsy akory izany toejavatra iainana izany. Afaka miaina izany ny olona tsirairay mino an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Mba hahatanteraka izany, dia tokony hiaina ho an’i Kristy sy miaraka aminy. Ny fiarahana aminy dia tsy vitan’ny hoe ahafahantsika miaritra ireo toejavatra lalovantsika, ary tsy ketraka noho izany, fa koa miaritra izany amin’ny fikatsahana izay hahafaly Ilay Tompontsika. Ary izany dia ho an’ny tanora eo amin’ny fianarany na ny fifandraisany amin’ny namany, sady ho an’olon-dehibe misedra ireo olana andavanandro. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia ndao hanaiky hiaina izany, mba hampanankarena ny fiainam-pinoantsika. Eto an-tany sy ao amin’ny toejavatra tsirairay no iainantsika ny maha zavamisy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, fifandraisana velona. Hahazoantsika tombony maharitra mandrakizay izany ! Omena antsika ny fotoana tandrify, hampisehoantsika fa tiantsika ny Tompo Jesosy. Antony tsara ahavelomana anie izany e !