Alahady 31 Jolay 2022

Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Ianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay. Salamo 90:2

Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa : tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Isaia 45:5

 

Andriamanitra, Ilay Mpahary ahy

Ny Baiboly dia manomboka amin’ny teny telo mavesa-danja hoe : „Tamin’ny voalohany Andriamanitra…” (Genesisy 1:1). Tsy misy lahakevitra hanaporofoana ny fisian’Andriamanitra ao amin’izany. Eo fotsiny Izy. Efa nisy Izy hatrizay hatrizay, talohan’ny tany sy izao tontolo rehetra izao. Tsy manam-piandohana na fiafarana Izy. Andriamanitra dia efa Izy hatrizay ary ho Izy hatrany. Andriamanitra dia mandrakizay. Ny haranitan-tsain’olombelona dia tsy afaka hahatakatra ny atao hoe Andriamanitra mandrakizay. Ary ahoana no hahatakarana ny fidadasik’izao tontolo rehetra izao, izay ekentsika anefa fa misy ? Mihoatra ny fisainantsika izany rehetra izany.

Nefa mazava ny Baiboly, momba io lohahevitra io. Ny toetra maha mandrakizay an’Andriamanitra dia efa ao anatin’ny toetra maha Izy Azy, satria Izy aza dia antsoina hoe „Andriamanitra Mandrakizay” (Genesisy 21:33).

Andriamanitra dia misy amin’ny alalan’ny fahefany samirery. Isika olombelona no mila sakafo, rano, rivotra, torimaso, hazavana, sns. Fa tsy mba toy izany kosa Andriamanitra. Izy dia „IZAHO IZAY IZY” (Eksodosy 3:14). Ary Izy dia tokana. Izy dia tsy manan-tsahala. Izy no Tompo faratampon’ny zava-drehetra. Izy dia fanahy, ka izany no tsy ahitantsika Azy.

Ny marina dia hoe Andriamanitra tsy misy fetra Ilay Mpahary ahy, tsy vitantsika ny hamaritra Azy na hahatakatra Azy. Nefa Izy dia Andriamanitra naneho ny tenany koa tao amin’i Jesosy Kristy, Izy dia Andriamanitra tia, ary mamonjy. Te hifandray amintsika Izy : miteny amintsika Izy amin’ny alalan’ny Baiboly.