Asabotsy 30 Jolay 2022

Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko ; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. Romana 7:19, 20

Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ? Misaotra an’Andriamanitra aho, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 7:24, 25

 

Olona afaka ve aho ? (2)

Nanomboka tamin’ny tsy fankatoavana tao amin’ny saha Edena, ny olombelona dia nanjary andevon’i Satana sy izao tontolo izao ary ny ratsy ao anatintsika tsirairay. Jesosy no manafaka amin’izany fanandevozana izany, izay rehetra mino Azy. Navotany izy ireo ho afaka tamin’ilay tompony taloha, ary ny ainy no saran’izany. Nefa ireo mpino ireo dia mahatsapa hoe : „Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko ; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko”. Fantatro fa misy zavatra sasantsasany mendrika hotsinina, manimba ahy, manimba ny hafa, nefa tsy mahafehy tena aho tsy hanao izany. Mifamadika amin’izany kosa, mba te hiasa aho hahasoa, te handroso, te hanampy ny hafa, nefa tsy mahatanteraka izany ! Mahafantatra ny Tompo ireo mpino ireo, nefa tsy afaka amin’ny fakam-panahy hanao ny ratsy, ary matetika lavo. Mijaly izy ireo noho izany, ka miantsoantso hoe : „Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ?”

Jesosy Kristy no valin’io fanontaniana io ! Jesosy dia nohelohina teo amin’ny hazofijaliana, nisolo toerana ahy. Maty Izy. Tokony hanaiky aho fa „miara-maty aminy” (2 Timoty 2:11) ; nefa satria nitsangana tamin’ny maty Izy ary velona, dia miara-belona aminy koa aho. Nampitainy tamiko ny ainy, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Amin’izany dia efa nomen’i Jesosy ahy ny zavatra roa ilaiko mba hihazonako ho resy ilay ratsy ato anatiko : aim-baovao, dia ny ain’i Kristy, ary ny Fanahy Masina, Izay manome ny heriny ho an’io aina io. Manana izany avokoa ny mpino rehetra. Inona no maha samy hafa ny mpino mijaly, izay matetika resin’ny filany, amina mpino miaina afaka, lavitry ny ratsy ary faly manao ny tsara ? Horesahintsika izany amin’ny heriny.