Zoma 29 Jolay 2022

Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe : Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana ; fa amin’ny andro izay ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao. Genesisy 2:16, 17

 

Andriamanitra sy ny olombelona

Ambaran’ny Baiboly fa Andriamanitra dia namorona ny olombelona tahaka ny endriny. Tsy milaza tsy akory izany fa dika mitovy tanteraka amin’Andriamanitra izy. Tsy misy amintsika mahalala ny zavatra rehetra sy mahefa ny zavatra rehetra ary manerana ny toerana rehetra. Tsy andriamanitra kely ihany koa isika. Nefa Andriamanitra dia nanome ho an’ny olona fahaizana ahafahany mifandray aminy, fa tsy toy ny biby sy ny zavatra tsy manana aina.

Nomen’Andriamanitra faharanitan-tsaina ny olona, nomeny fiteny tokana tany am-boalohany, ary indrindra nomeny fifamatorana aminy. Nomeny fiontanam-po ihany koa izy, sy fahafahana manana fihetseham-po.

Manana sitrapo ihany koa ny olona, afaka manao safidy. Noho izany izy dia afaka manapa-kevitra hanatona an’Andriamanitra. Zavamananaina marani-tsaina izy, mahatakatra fa mihevitra azy Andriamanitra ary te hanasoa azy.

Rehefa mihaika lalàna iray ara-batana napetrak’Andriamanitra, toy ny lalànan’ny fisintonana, ohatra, dia misy vokany izany : fianjerana. Izany dia mihatra ihany koa amin’ny didin’Andriamanitra rehetra. Tao amin’ilay paradisa an-tany nametrahan’Andriamanitra ny lehilahy voalohany sy ny vadiny moa, dia nisy safidy tokony nataon’izy ireo : hankatò na tsy hankatò izay nolazain’Andriamanitra azy ireo. Ary satria tsy nankatò izy ireo, dia nanjary tafasaraka tamin’Ilay Mpahary azy izy mivady sy ny taranany (izaho sy ianao koa izany !). Nefa Andriamanitra, noho ny hamorampony tsy miova, dia manome ho an’ny tsirairay lalana ahafahana miverina aminy, ao amin’Ilay nirahiny ho eto amin’izao tontolo izao, dia Jesosy. Izy no nanambara hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).