Alakamisy 28 Jolay 2022
Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. 1 Jaona 3:8
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. 1 Jaona 2:15
Fantatr’ireo rehetra miantsena any amin’ireny magazay lehibe ireny, fa alohan’ny hivoahana dia mandalo eo amin’ny fandoavam-bola. Tsy maintsy aloa eo avokoa ny vidin’ny zavatra rehetra nangonina ao anatin’ny harona.
Ny tontolo misy antsika dia mitovy amina „magazay lehibe”, izay ahafahana manatanteraka izay rehetra faniriana feno fitiavantena ao anatintsika. Ny devoly no tompon’io trano fivarotana goavana io, satria izy no ilay „andrianan’izao tontolo izao” (Jaona 14:30). Tena maro karazana ny zavatra atolony. Samy mahita izay tadiaviny ny tsirairay, araka ny tiany. Eo akaikin’ny talantalana fahafinaretana sy fahafaham-po dia ahitana ihany koa ny talantalana vola, fananana. Eo an-jorony iray aza dia anolorana mihitsy ny filazana tononandro sy ny fiantsoana fanahy. Tokony homena fahafaham-po mantsy ny filan-dratsintsika isan-karazany…
Ankoatra ny fandaniam-bola, dia matetika ireny fahafinaretana ireny no mitondra antsika ho amina fahabangana lehibe anaty, fiankinan-doha isan-karazany, fahasimbana ara-batana sy ara-tsaina, ary indraindray aza fampoizam-po : izany no fandrik’i Satana, te hamily antsika hiala amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay. Ao anatin’izany toejavatra tsy misy azo antenaina izany, dia Iray ihany no afaka manampy sy te hanampy antsika. Tsy iza Izy fa Ilay Zanak’Andriamanitra, tonga tetỳ an-tany mba handrava ny asan’ny devoly (jereo ny andinin-tSoratra Masina androany). Izy no mahay manafaka antsika amin’ny fanagejan’i Satana sy manala ny vesatr’ireo fahotantsika.
Anjaran’ny tsirairay ny misafidy : aleonao ve manimba ny fiainanao amin’ny fanomezana fahafaham-po ireny faniriana feno fitiavantena manandevo ireny ? Sa kosa vonona ianao hametraka ny finoanao ao amin’Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay manome maimaimpoana ho anao ny famelan-keloka, ny fahafahana, ary ny fiainana mandrakizay ?