Alarobia 27 Jolay 2022
Tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy, mandra-piavin’izay andro izay. 2 Timoty 1:12
… Izay (Jesosy), na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo. 1 Petera 1:8
„Tany an-tranomaizina ny apostoly Paoly, nilaozan’ny namany, saika izy rehetra, no nanoratra io teny io, teny fohy naneho ny fatokiany tanteraka an’i Jesosy. Paoly dia nifanena tamin’i Jesosy teny an-dalana hankany Damaskosy (Asan’ny Apostoly 9), ary nanova ny fiainany izany. Nanjary nanana fahazoana antoka izy.
Izany no mampiavaka ireo tena kristiana. Na tsy toa an’i Paoly aza izy ireo, tsy nahita maso an’i Jesosy, dia nifanena taminy kosa tamin’ny alalan’ny finoana. Resy lahatra izy ireo fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Izany no herin’ny fitiavan’izy ireo sy herin’ny fifaliany.
Tsaroako tsara ny andro nialako teo amin’ny dingana hoe „mahalala zavatra momba an’i Jesosy”, mba ho eo amin’ny dingana hoe „mahafantatra an’i Jesosy”. Mbola tovolahy aho tamin’izany, ary nahafantatra manjavozavo fa nitsangana tamin’ny maty Jesosy, saingy tsy nisy dikany inona ho ahy izany. Avy eo aho dia nihaona tamina mpampianatra sy namana, nahitako miharihary fa fahamarinana fototra ho azy ireo ny nitsanganan’i Jesosy ho velona indray. Nandinika azy ireo aho ary nahamarika hoe inona ny akon’izany fifandraisana manokana amin’i Kristy izany teo amin’ny fomba fiainan’izy ireo. Dia nanomboka naniry hanana izay nananan’izy ireo aho.
Avy eo, nanontany tena aho indray andro momba ny fomba hahafantarako ny tsiambaratelon’ny maha hafa ny fiainan’izy ireo, no tonga saina fa raha nitsangana tamin’ny maty tokoa Jesosy, dia tsy maintsy velona Izy izany. Ary raha velona Izy, dia afaka mihaona aminy aho. Dia niresaka taminy aho tamin’io andro io, ary nanankina taminy ny fiainako. Nanomboka teo dia ny fanatrehan’i Kristy sy Izy tenany mihitsy no nanjary fahamarinana azo antoka indrindra teo amin’ny fiainako.”
(nalaina avy amin’ny asasoratr’i Michaël Green)