Talata 26 Jolay 2022
Izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. 1 Timoty 4:10
Hanantena Azy aho. Fitomaniana 3:24
Jeremia dia nanatrika ny fambaboana voalohany an’i Jerosalema nataon’ny Kaldeana (tokony ho 600 taona talohan’i Jesosy Kristy), ary manoritsoritra ao anatin’ireo „Fitomaniana” ny toejavatra mampivarahontsana natrehiny maso. Nanokatra ny fony izy ary nitomany teo anatrehan’Ilay Andriamaniny. Maloka ny zavatra rehetra, tampina ny faravodilanitra, tsy lavitra ny famoizam-po : „Noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara. Dia hoy izaho : Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’i Jehovah” (3:17, 18). Nefa tampoka teo dia nanambara i Jeremia hoe : „Ka dia hanantena aho… ka dia hanantena Azy aho” (3:21, 24). Inona no tsiambaratelony, mbola ahafahany manantena ihany ? Manana hery anaty mitarika azy ho amin’ny fanantenana ve izy ? Tsia, fa fantany ny hatsarampon’ny Tompo : „Ny famindrampon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany ; lehibe ny fahamarinanao” (3:22, 23).
Tsy ao anatintsika no hahitantsika hery hamparisika antsika, nefa hisy indray ny fanantenana raha toa isika mitraka mijery Ilay Andriamanitsika, Izay tsara sy feno fiantrana. „Eny, fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany, araka ny haben’ny famindrampony” (3:32). Eny, mitoky am-panantenana amin’Ilay Andriamanitra tia antsika isika. Mahatoky tsy misy fepetra Izy, ary mitana ny fampanantenana nomeny.
Ianao izay malahelo, mijaly, ary mamaky izao andalana izao, miaraha manantena aminay io Andriamanitra io. Ndao hiantso Azy, hilaza manontolo aminy ny fijaliantsika. Rehefa miaraka aminy isika dia rariny raha hanantena mandrakariva, satria Izy no „Ilay Andriamanitry ny fanantenana” (Romana 15:13).