Alatsinainy 25 Jolay 2022
Ankehitriny Izy (Andriamanitra) mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka. Asan’ny Apostoly 17:30
Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. Asan’ny Apostoly 3:19
John Newton (1725-1807) dia nitondra andian’andevo hamidy tany Amerika, kanjo tojo tafiodrivotra mahery ny sambony. Tamin’io andro nampivarahontsana io dia nieritreritra indray an’Andriamanitra izy, Ilay Andriamanitra noresahin-dreniny taminy matetika. Tamin’izay fotoana izay, taoriana-na taona maro niainany fiainana mahamenatra, dia nanontany tena izy hoe Kristy, Izay maty hamonjy ny mpanota ve, mbola ho afaka hamela ny fahadisoany marobe sy tena mahatsiravina.
Fihetsika toy izany no dingana voalohany hanatonana an’Andriamanitra. Simona Petera dia nihevi-tena ho olona tsara, nefa rehefa nanoloana an’i Kristy sy ny zavatra nataony izy, dia niantso mafy hoe : „Olo-meloka aho” (Lioka 5:8). Toy izany koa, ny tsirairay dia tokony hahita ny tenany araka ny fijerin’Andriamanitra azy —meloka sy tsy afaka manasitrana samirery ny tenany-, mba hametraka ny fitokisany amin’ny asa nataon’i Kristy.
Hoy i John Newton : „Tsy afaka hahazo antoka fa voavonjy isika, raha mbola tsy mahafantatra hoe tena ratsy sy mania ny fontsika”. Rehefa tonga amin’izay dingana izay isika dia tena mahatsiaro nenina, ka mahatsapa fa naniratsira an’Andriamanitra : „Taminao dia taminao no nanotako”, hoy i Davida (Salamo 51:4). Izany no fibebahana. Amin’izay isika dia maniry hiala amin’izay ratsy eo amin’ny fiainantsika. Rehefa mibebaka amin’ny fahotako aho, dia miaiky ny toetrako ary manaiky fa „tsy misy zavatra tsara mitoetra” ato amiko (Romana 7:18). Mila mahatsapa lalina aho fa meloka. Dia takatro ny fitiavan’i Kristy, Izay nijaly teo amin’ny hazofijaliana mba hamonjeny ny mpanota. Izany no lalan’ny fihavanana amin’Andriamanitra, Izay mamela heloka dia mamela heloka tokoa (Isaia 55:7).