Alahady 24 Jolay 2022

Manina anareo izy noho ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra aminareo. Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina. 2 Korintiana 9:14, 15

Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra. Romana 5:20

 

Ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra

„Zava-mahatalanjona aoka izany, fa rehefa matory ny zavatra rehetra, dia mbola miambina lalandava ihany ve ny fahasoavana ?” (Ruben Saillens)

„Ny fahasoavana dia fifaliana, zavatra tsy nampoizina, hatairana, famonjena ho ahy mpanota ! Zaza very aho fahiny, nefa tiana ; jamba taloha, nefa nahita nony farany !” (Henri Künzler)

„Ny androntsika ratsy indrindra dia tsy ho faran’izay ratsy, na oviana na oviana, ka hoe tsy ho afaka hahatratra antsika ny fahasoavan’Andriamanitra ; ary ny androntsika tsara indrindra dia tsy ho faran’izay tsara, na oviana na oviana, ka hoe tsy hilantsika intsony ny fahasoavan’Andriamanitra.” (Jerry Bridges)

„Ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy hoe famindrampo fotsiny ihany rehefa nanota isika. Izy io dia ilay fanomezan’Andriamanitra ahafahantsika tsy manota.” (John Piper)

„Ny haben’ny fahasoavana dia toy ny rano velona. Isika no siny mandray izany, ary afaka mampita azy ho famelan-keloka.” (araka an’i Olivier Abel)

„Ny fahasoavana dia mampianatra antsika fa tia antsika Andriamanitra noho ny maha Izy Azy, fa tsy noho ny maha isika antsika. Misaotra, ry Tompo, fa raha tsy teo ny fahasoavanao, dia very izahay rehetra !” (Xavier Lavie)