Asabotsy 23 Jolay 2022
Dia hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy : Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa ; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo… Izay rehetra manota dia andevon’ny ota. Jaona 8:31-34
Vao avy nanambara Jesosy hoe : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12). Mandà ny teniny ny sasantsasany ka mitoetra ao anaty haizina. Fa ireo izay mino Azy kosa dia nahavita ny dingana lehibe fototra : nampifandraisina amin’i Jesosy izy ireo, ary nandray ny famelan-keloka sy ny fiainam-baovao, dia ny fiainana mandrakizay.
Nefa misy dingana faharoa resahin’i Jesosy amin’izy ireo : tsy maintsy maharitra amin’ny fampianarany izy ireo, mba hahatratra ny fahafahana. Saingy tsy azon’ireo mpihaino azy izany antso ho amin’ny fahafahana izany (andinin-tSoratra Masina androany). Namaly Azy tam-pireharehana izy ireo hoe : „Izahay… tsy mba andevon’olona hatrizay ela izay ; koa nahoana no ataonao hoe : Ho afaka ianareo ?” (and 33). Nihevitra ny tenany ho afaka izy ireo, satria anisan’ny vahoaka Israely. Amin’i Jesosy anefa, ny fahafahana dia tsy ny maha mpikambana ao amina antoko iray, fa ny maha tsy eo ambany fanapahan’ny ratsy. Jesosy dia mampanantena izany fahafahana izany amin’izy ireo, amin’ny alalana fifamatorany aminy ; nefa mandà izy ireo satria hoe manana ny maha olom-pirenena azy, manana ny fivavahany ; asongadin’izy ireo ny ankohonana ara-panahy manokana misy azy ireo.
Indraindray koa isika dia mijery ny maha mpikambana antsika ao amina fiangonana izatsy na izaroa, ho „porofo”-n’ny famonjena antsika sy ny maha kristiana mahatoky antsika. Ny manan-danja anefa dia ny maha zavamisy ny fifandraisantsika amin’ny Tompo. Kristy irery ihany no mahafaka antsika. Ny tena fahafahana dia iainana ao amina fifandraisana voakolokolo amin’i Jesosy Kristy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
(amin’ny heriny ny tohiny)