Zoma 22 Jolay 2022
(Hoy Jesosy :) Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy ? Jaona 8:46
… mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:5
— Tsia, tsy manana finoana aho ; mba te hanana izany mihitsy aho, saingy tsy nomena ahy izany ; mitsiriritra anao aho…
— Manao azafady aho manapaka anao, fa hay atao ve izany miaina tsy misy finoana izany ? Anikeheo maraina ianao dia nanaterana gazety ; ary avy eo, taoriana kelin’izay indray, ny taratasinao. Nandrasanao ireo, ary fantatrao tsara fa ho azo. Miasa ao amina orinasa ianao, ary matoky fa handray karama amin’ny faran’ny volana. Nanafatra entana tamina tambazotran-tserasera ianao, efa nanefa ny sarany tamin’ny finday, ary tsy misalasala ny haharay ilay entana. Nanao fotoana samihafa taman’olona ianao, ary resy lahatra fa ho voahaja izany. Ekenao fa tokony ho azo atao ny miantehitra amin’ny hafa amin’ny andavanandro, fa raha tsy izany dia tsy hety ny fiarahamonina. Indraindray anefa dia diso fanantenana ianao tamin’ny zavatra nandrasanao, very ny zavatra iray nohafarana, tsy tontosa ny fotoana iray nifanaovana, tsy tanteraka ny zavatra iray nampanantenaina…
Tsy nahakasika ny fatokianao tsy akory ireny zavatra madinidinika ireny. Dia ho fahendrena kokoa ve ny matoky olona noho ny matoky an’Andriamanitra ? Hoy ny Baiboly : „Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina” (Nomery 23:19).
Ny manakana anao angamba, tsy hoe ny tsy fahafahana hino. Ny fiainanao ve tsy hoe fatokiana ny namanao ? Ny manakana anao dia io dingana voalohany ho amin’ny fatokiana an’Andriamanitra io, angamba ianao matahotra sao horaisiny ny fitantanana ny fiainanao. Nefa takatrao tsara ve fa tia anao Andriamanitra ?
„Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” (Jeremia 31:3).