Alakamisy 21 Jolay 2022
Andriamanitra, Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. 1 Timoty 2:3, 4
Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny (Andriamanitra). Hebreo 12:25
Tany Jerosalema dia nisy karazana dobo filomanosana iray itangoronan’ny olona marary izay manantena ho sitrana amin’ny alalana fahagagana. Nisy lehilahy iray, nalemy nandritra ny 38 taona, niandry teo. Nitsidika io toerana feno fijaliana io Jesosy, nahita azy nandry teo, ary nanontany azy hoe : „Te ho sitrana va ianao ?” Namaly ilay lehilahy mahantra fa tsy misy olona mba hanampy azy. Dia hoy Jesosy taminy : „Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana”. Sitrana teo no ho eo ilay lehilahy.
Toa mahagaga ihany ny manontany olona malemy hoe te ho sitrana ve izy. Nefa dia mipetraka amintsika tsirairay koa ny fanontaniana mitovy amin’izany, hoe : tena te ho voavonjy tokoa ve ianao ? Te hahita fihavanana amin’Andriamanitra ve ianao ? Te hahalala Azy ho Ray ve ianao ? Tianao hiditra eo amin’ny fiainanao ve Jesosy ?
Mba haniriana ny hovonjena, dia tsy maintsy tonga saina aloha hoe mila izany, sady tsy afaka manatanteraka izany samirery. Mety nanimba ny fiainanao angamba ianao, na ny fiainan’ny ankohonanao. Mety ho andevo-na faniriana feno fitiavantena sy mamotika angamba, na tapi-dalan-kaleha, manirery, marary. Mety hahatsapa tsotra fotsiny fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra. Rehefa tapitra ny fahafaha-manaon’ny olona, dia afaka miseho amin’izay ny fahafaha-manaon’Andriamanitra. Ity lehilahy ity dia nila 38 taona, saiky fiainana iray manontolo mihitsy, vao afaka nilaza izy hoe : „Tsy mba misy olona”. Anio, henoy Jesosy Izay mandalo ka miteny aminao hoe : „Mitsangàna, ka mandehana”. Izany hoe : Matokia Ahy ary manaraha Ahy.