Alarobia 20 Jolay 2022

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39

Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ? Lioka 24:32

 

Kristy no mampifandray

Tamin’ny taona 1880 tany ho any i Georges Seurat, mpanao sary hosodoko, dia namorona fomba vaovao fanaovana hosodoko antsoina hoe „pointillisme”. Tsy loko nafangaro ahosotra amin’ny borosy no nampiasainy, fa teboteboka kely miloko. Raha jerena akaiky ireo sanganasany, dia toa fitambarana teboteboka mitsitokantokana. Nefa rehefa manalavitra no mijery izany, dia mahita sary hosodoko miloko mahavariana.

Toy izany koa, rehefa mamaky ny Baiboly isika, indraindray dia tsy mahita fa Kristy no tsipika miteboteboka mampifandray ireo boky mandrafitra ny Baiboly. Amin’izany isika dia mitovitovy amin’ireo mpianatra tany Emaosy, izay tsy nahita ny fifampitohizan’ireo zava-nitranga nahatonga ny fahafatesan’i Kristy. Nanantena izy ireo fa „Izy no Ilay efa hanavotra ny Israely” (Lioka 24:21), nefa izao dia vao avy nanatrika ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana !

Tampoka teo dia nisy olon-tsy fantatra niara-dalana tamin’izy roa lahy ary nanampy azy hampifandray ny fijaliana, ny fahafatesana, ary ny voninahitra ho avin’Ilay Mesiany nandrasana fatratra : „Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” (Lioka 24:27). Taoriana kely, rehefa nahafantatra izy ireo, nandritra ny sakafo, fa Jesosy mihitsy io, Izay nitsangana tamin’ny maty, dia hoy indray Izy taminy : „Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo” (Lioka 24:44). Nasehon’i Jesosy azy ireo ny hevi-dehibe mitarika, ka tamin’izany dia nasongadiny teo imason’izy ireo Ilay Andriamanitra tia antsika.

(namboarina avy tamin’ny asasoratr’i Mart Dehaan)