Talata 19 Jolay 2022

Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao, etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Matio 6:9, 10

Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika… nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra. Efesiana 1:3

 

Rainay Izay any an-danitra

Nangataka mba hampianarin’i Jesosy hivavaka ny mpianany, ka nomeny vavaka môdely antsoina hoe „Rainay Izay any an-danitra”, araka ireo teny manomboka izany. Tsy ho môdely haverin’izy ireo piliavava tsy am-pinoana sy tsy an-kafanam-po anefa, fa mba ho tondro zotra ho an’ny fiainam-bavak’izy ireo ny votoatiny.

Mizara roa ny „Rainay Izay any an-danitra”. Ny tapany voalohany dia mahakasika an’Andriamanitra, ny anarany, ny fanjakany, ny sitrapony. Ary ny faharoa dia momba ireo filantsika : ny hanina isanandro, ny filantsika famelan-keloka sy fiarovana. Zava-dehibe io filaharana io. Andriamanitra no tokony ho lohalaharana, ao amin’ireo eritreritra sy faniriantsika.

Voalohany dia taomin’i Jesosy aloha ny mpianany hiantso an’Andriamanitra hoe „Rainay”. Tsy Jehovah Andriamanitry ny Israely fotsiny intsony no ahafantarana Azy. Izy dia Ilay Ray any an-danitra ihany koa, ho an’ireo rehetra nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny. Miantso antsika hoe zanany Izy, ary miahy antsika. Isika tsirairay dia manana tombontsoa hanatona an’Andriamanitra an-kalalahana sy am-patokiana, amin’ny fotoana rehetra. Isika dia afaka misitraka ny famindrampon’ny Ray (Lioka 6:36), ny famelan-keloka atolony (Marka 11:25), ny fikarakarany (Matio 6:31, 32) ary ny fifehezany mahasoa (Hebreo 12:5).

Ny Raintsika dia any an-danitra. Andriamanitra, Izay tonga tatỳ amintsika tamin’ny alalan’i Jesosy, dia mitoetra ho ambonintsika lavitra dia lavitra. Mijanona ho eo am-pelatanany avokoa ny fahefana rehetra sy ny zava-mitranga rehetra. Ary io Andriamanitra lehibe aoka izany io no Raintsika. Azontsika iresahana Izy, ary mihaino antsika. Tombon-dahiny lehibe anie izany e !